Toekarena

Fikambanan’ny mpamokatra Manohy ny tetikasa « Mécanisme Forêts et Paysans »


  • Talata 01 Desambra 2020

Nanatanteraka asa fampiharana ireo fahalalana norantovina tamin’ny fiofanana

 

 

 

vita teo aloha sitrahan’ireo fikambanan’ny mpamokatra 30 (fambolena, fiompiana, jono ary ny ala) izay naharitra roa andro. Ao anatin’ny ivony tanteraka ny tetikasa « Fitaovana Fandrindrana ny Ala sy ny Fambolena» na « Mécanisme Forêts et Paysans » vatsian’ny FAO ary tanterahan’ny vovonana nasionaly Vehivavy, Fampandrosoana Maharitra sy Fiahiana ara-tsakafo any amin’ny distrika Ankazobe sy Ambohidratrimo. Asa fanorenana tontolo maharitra, fanarenana sy fanatsarana ny toeram-pihariana moa ny asa fampiharana. Nisy ny fambolena zanakazo ilaina amin’ny fiarovana sy fanatsarana ny tontolom-pihariana, toy ny hazo fihinamboa; ireo hazo atao aro-rivotra sy aro-riaka na ampiasaina amin’ny falonahana ny tany. Nampiarina koa ny teknika ala vadim-boly izay nahitana eo amin’ny toeram-pambolena iray, karazam-boly fihinana sy hazo fihinamboa, miaraka amin’ny rakotra mba hiarovana ny tany amin’ny herin’ny masoandro na ny orana mikija. Tafiditra ao anatin’ny fiofanana ihany koa mantsy ny fahaizana misafidy ireo fambolena tokony atao amin’ny tany ary ny teknika fambolena azy ireo. Mbola hitohy amin’ny volana desambra ny fiofanana ary io no tapany farany amin’ny tetikasa amin’ity taona 2020 ity.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT