Toekarena

FIKAMBANANA MIARO NY ZON’NY MPANJIFA MALAGASY Mangataka ny hanafoanana ny MID


  • Alakamisy 16 Martsa 2017

Mangataka ny hanafoanan’ny fanjakana ny “Marché inter-bancaire de devise” na ny MID eto amintsika ny FIZOMPAM (Fikambanana miaro ny zon’ny mpanjifa Malagasy).

 Io MID io ihany mantsy, hoy ny filohany  Tiana Raveloson no mibaiko ny sandam-bolantsika sy manosika ireo mpandraharaha vahiny hanao izay tiany hatao eto amin’ny firenentsika  toy ny fampakarany ny vidin-tsolika hatrany nefa efa mba niakatra kely ny sandam-bola Malagasy…Mahatsiaro mijaly ny vahoaka Malagasy, hoy izy raha misy kosa ireo olona tena mahazo tombony amin’izany, fepetra izay azon’ny fanjakana atao tsara ny mandray sy manatanteraka azy hampandrosoana ny fiainam-bahoaka isam-baravarana. Ankoatra ny fampiakarana ny vidin-tsolika dia nomarihin-dRaveloson Tiana fa anisan’ny fomba iray hahafahana mampahantra ny vahoaka ihany koa ny MID, ny hanakarama ireto farany amin’ny sarany farany ambany indrindra amin’ny alalan’ny fanatanterahana ny sitrapon’ny mpandraharaha. Miantso ny fanjakana mba hijery akaiky amin’ny fanatsarana sy ny fanasoavana ny fiainam-bahoaka ny FIZOMPAM. Tsiahivina fa tamin’ny 21 novambra taona 2000 no niorina ny fikambanana, fehezin’ny didy hitsivolana laharana 60-133 tamin’ny 03 oktobra taona 1960. Nomarihina omaly ny andro maneran-tany ho an’ny zon’ny mpanjifa.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT