Toekarena

Fihibohana lavareny Nihena ireo mpanjifa labiera


  • Zoma 03 Jolay 2020

Nihena ireo mpanjifa nanjifa ny zava-pisotro THB 65 Cl nandritra ny fihibohana. Mbola mitohy hatramin’izao izany raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra omaly noho ny tsy fahafahan’ireo bar misokatra.

 

 

Amin’ny harivariva mantsy vao tena betsaka ireo mpanjifa ny labiera amin’ny ankapobeny, indrindra fa ny faran’ny herinandro. Ankoatra izany dia fantatra ihany koa fa nasiam-panitsiana ny haba mikasika ny labiera nolaniana teny anivon’ny Antenimieram-pirenena.Vantany vao tapaka teo anivon’ity andrim-panjakana iray ity izany dia nanapa-kevitra ny orinasa Star hampidina ny vidin’ny zava-pisotro THB iray mirefy 65 cl ho 3.000 Ar . Hanana vidiny tokana daholo ihany koa ny vokatra vokarin’ny orinasa Star rehetra manerana ny Nosy manomboka izao. Afaka hanjifa ny vokatra Star tiany amin’ny vidiny tokana avokoa noho izany ny Malagasy rehetra any Antsiranana, Taolagnaro ary ny eto Antananarivo.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT