Fihemorana ara-toekarena sy fahantrana

Fahatelo maivan-danja indrindra ny Ariary Malagasy


  • Talata 26 Desambra 2023

Anisan’ireo vola Afrikanina voalohany maivan-danja indrindra ny vola Malagasy Ariary,

raha ny fanasokajiana amin’izao fotoana izao. Mitana ny laharana voalohany amin’izany Léone Sierra-Léonnais, faharoa ny Franc Guinéen, ary fahatelo ny Ariary Malagasy. Ho an’ny omaly, tafakatra amin’ny 5087,48Ar ny sandan’ny 1Euro mitaha amin’ny Ariary, izany hoe : tao anatin’ny herinandro dia niziriziry tany ambonin’ny 5000Ar io. Ny fitotonganan’ny sandam-bola dia miteraka fiakaran’ny vidim-piainana. Mbola ny fanafarana entana rahateo no mibahan-toerana ho antsika eo amin’ny fifandanjan’ny fifanakalozana ara-barotra na « balance commerciale » satria saika ny 75% amin’ny entana ilaina andavanandro hafarana, ny solika hafarana,… ary tsy maintsy vidiana amin’ny vola vahiny ireny. Raha miverina amin’ilay filaharana, eo amin’ny fahaefatra kosa ny Shilling Ougandais, arahin’ny Franc Burundais, Shilling Tanzanien, Franc Congolais, Kwacha Malawite, Dollars Zimbabéen, ary fahafolo ny Franc Rwandais,… Mbola manao tazan-davitra kosa izany ny Kaomorianina izay nanaovana vava be sy nalaina ho ohatra tamin’ny 2018, fa raha i Andry Rajoelina no tonga eo, dia isika indray aza no hampindrana an’i Kaomoro. Ny Nosy Maorisy moa dia efa tsy azo hampilaharina amintsika satria efa tena lasa lavitra amin’ny lafiny rehetra. Ny fizarantany ny azy avo 10 heny noho ny antsika satria 3 tapitrisa isan-taona eo, ny famoronan’asa mihazakazaka ary ny mpiasa aza no tsy maharaka,… Aiza ho aiza isika ? Aiza ho aiza ilay hoe : ho sangany aty Afrika ? Aiza ilay hoe : tompondakan’ny indostria ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT