Toekarena

Fihariana sy toekarena maitso Afaka mampidi-bola be ho an’i Madagasikara ny tantely


  • Zoma 07 Aprily 2023

Isan’ny seha-pihariana saika hita amin’ny faritra maro manerana ny Nosy ny tantely, misy ny efa manao izany ao anatin’ny fomba matihanina, ary ao ny mbola manaraka ny nentin-drazana.

Nisy ny fizarana nataon’ny FIVMPAMA (Fivondronan’ny Mpandraharaha Malagasy). Naneho fa niakatra be ny filan’izao tontolo izao tantely, eo amin’ny tsenam-barotra iraisam-pirenena, ny antsika kosa nidina be ny fanondranana avy eto Madagasikara. Raha ny tatitra mantsy, tsy nitsaha-nitotongana ny fatran’ny tantely naondran’I Madagasikara tao 5 taona farany. Raha nanondrana 100 taonina latsaka kely isika ny taona 2018, ary efa nihoatra izany aza ny 2021, dia nitotongana tany ambanin’ny 20 taonina ny 2022. Nitotongana nanaraka izany ny vola nampidiriny satria raha tany amin’ny 1 200 000 000 Ar ny 2018, tsy niova teo amin’ny 800 000 000Ar mahery kely tao anatin’ny telo taonan’ny 2019-2021, dia nivarina tany amin’ny 200 000 000Ar sisa ho an’ny taona 2022. Ho an’ny fanafarana tantely maneran-tany anefa, tsy nitsaha-niakatra satria 680 000 taonina izany ny 2018, dia ny 2019 no nidina kely, saingy niakatra hatrany amin’ny 760 000 taonina izany taona 2021.

Fanontaniana mila valiny sy vahaolana: Nidina ve ny vokatra? Sa ny fanondranana no sarotra? Raha ny vokatra no nidina. Olana ara-tontolo iainana no mety mahatonga izany sa nihena ny mpampiasa vola amin’ny seha-pihariana tantely? Sa izy roa? Raha olana eo amin’ny fanondranana kosa, inona no tena sakana? Ny kalitao ve, sa ny dingana na “procédures” amin’ny fandefasana ny vokatra no olan’ny mpamokatra tantely malagasy? Hoy ny fanamarihana. Maro ny seha-pihariana tokony hamelona fianakaviana an-tapitrisany, hampiakatra ny hari-karena, na koa hampiakatra ny sandam6bola… nefa tsy vitantsika. Mila fahaiza-manao bebe kokoa sy fiaraha-mientana avy amin’ny tsy miankina sy ny Fanjakana. Mila paikady manokana. Azo hanombohana ny resaka fihariana sy toekarena maitso tsar any tantely, ary azo hampiharana ilay hoe: “Madagasikara mpanafatra avadika ho Madagasikara mpanondrana”. Efa misy moa ny fanomezan’ny Minisiteran’ny indostria ireo milina fanodinana tantely ho “pure” sy hanaraka ny fenitra takian’ny tsena amin’ny alalan’ilay hoe: ODOF (One District One Factory) miampy ny mety fitadiavana lalam-barotra, fa mila velarina sy hatsaraina hatrany ihany koa ny teknikam-piompiana, indrindra manoloana ireo loza mandindona samihafa.

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT