Hiasa eto Madagasikara ny Birao manelanelana ny banky sy ny mpihindram-bola (BIC) hanamorana ny fahazoan’ny Malagasy findramam-bola.
Mbola ambony hatrany ny tahan’ny zana-bola sy ny saran’ny fahafahana mindram-bola amin’ny banky eto Madagasikara raha oharina amin’ny firenena hafa. Eo ihany koa ny fahasarotana amin’ny findramam-bola izay saika mifototra amin’ny antokin’ny mpanjifa ny ankamaroan’ny Banky sy ny mpampindramam-bola madinika. Misy ny tsy fahatokisana ny orinasa sy ny olona mihindram-bola ary tsy fantatry ny mpandraharaha amin’ny sehatra fampindramam-bola akory ireo antotan-kevitra mahakasika ireo orinasa ampindramina vola ka izany no hakàna antoka maro be. Ho fanampiana ny banky amin’ny fampahafantarana ireo mpanjifa izay mikasa hihindram-bola ao aminy ka hizotra amin’ny fanarahan-dalàna sy ny filaminana antom-pisian’ ny biraon’ ny fanelanelanana ny banky sy ny mpihindram-bola. Mihena araka izany ny mety ho risika amin’ny fampindramam-bola ary hiteraka fanamorana amin’ny findramam-bola izany. Ankoatr’izay dia hahazo tombony amin’ity BIC ity ihany koa na ireo tsy mbola nisehatra tamin’ny Banky mihitsy aza satria ahafantarana ny antontam-baovao rehetra mihitsy izany. Ny fifanakalozana ara-bola nataon’ny olona iray anaty finday, ny fandoavana ny jiro sy rano sy ireo fandoavam-bola rehetra notanterahana dia afaka hanontanian’ny Banky ao amin’io BIC io avokoa saingy tsy maintsy mila fahazoan-dalana avy amin’ilay olona. Eo ihany koa ny ahafahana mijery ny fitondran-tenan’ireo olona efa nihindram-bola tamin’ny Banky ahafahana mandray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’izany. Tombony ihany koa ny tsy fitakiana antoka be mihoampampana tahaka ny fanaon’ny Banky sy ny mpampindram-bola madinika noho ny antotan-kevitra efa ananana. Fiaraha –miasa amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara sy ny Banky Iraisam-pirenena no hanatanterahana izany ary efa nahazo toerana 43 sahady i Madagasikara amin’ny fahazoana findramam-bola tamin’ny fametrahana izany. Mbola ampahafantarina sy ho velabelarina anio etsy amin’ny CCI Ivato moa ny atrikasa manerantany manodidina izany ahafahan’ny Malagasy rehetra hisitraka findramam-boma
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.