Maro be ireo sehatra mahita faisana amin’ity aretina Coronavirus ity. Anisan’ny loha laharana amin’izany ireo mpisehatra rehetra amin’ny fizahantany.
Raha ny eto Madagasikara fotsiny dia efa lavaka be ny vola very tanatin’izao krizy izao. Ny miasa amin’ny sehatra fitaterana sy ireo orinasa tsy miankina dia voa mafy ihany koa amin’izao fotoana izao. Misy ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana saingy mety hisy fetrany ihany izany atsy ho atsy raha mitohy ny tsy fiodinan’ny asa aman-draharaha tahaka izao. Tsy tahaka ireo firenena mandroso sy manankarena be i Madagasikara ka ho afaka hanetsina hatrany ny lavaka rehetra sy hiantoka tanteraka ny filàna misy amin’ny vahoaka fa sombiny izay tratra ihany no hatao.
Avo 5 heny
Ho an’ny hafa indray kosa dia tombony ny fidiran’ity aretina ity teto amin’ny firenena. Raha ho an’ny toeram-pivarotana fanafody manokana ohatra dia nanazava ny tompon’andraikitra iray fa mitombo avo 5 heny ny vola maty sy niditra taorian’ny fanambarana fa tafiditra eto ny aretina. Velom-bolo ihany koa ny mpampongady indrindra ireo mpivaro-bary sy ny entana ilaina an-davan’andro amin’izao fotoana izao. Mba mety ihany koa ny tsenan’ny mpaninjara satria ankehitriny dia saika maka entana isan’andro mihitsy izy ireo ary tsy maharaka ho amin’ny filan’ny mpanjifa mihitsy izany. Hatreto aloha dia mbola mety kosa ny tsena ny amin’ireo mpandraharaha misehatra amin’ny solika. Tamin’ireny filaharam-be ireny dia efa nahalafo solika mihoatra ny tokony ho izy mantsy izy ireo izay mbola manetsina ny fatiantoka amin’ny mety ho fidinan’ny mpanjifa manoloana ny fanapahan-kevitra nampiato ny asa fitaterana.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.