Isaorana ianareo mpitondra tarihin’Andriamatoa filoha tamin’ny fikarakarana manetriketrika ny “FIHARIANA”.
Inoana sy antenaina fa tena hiainga ary hanerana ny nosy tokoa ny zavatra tsara tahaka ireny fa tsy ny fety fotsiny no mody natao manetriketrika. Maro be tokoa mantsy ireo tanora no miandrandra zavatra lehibe sy maharitra tahaka ireny fa tsy hoe takonana amin’ny akanjo mora rovitra sy ny fety mahamamo fotsiny izy ireo. Deraina ihany koa ny fampidirana lalina ireo banky miaina sy miasa eto amintsika. Satria izy ireo no tena anisan’ny malaina raha vao hanosika ireo tanora Malagasy. Tsy misy tsy mahalala fa ireo banky ireo dia mampiasa tahany avo dia avo raha oharina amin’ny banky misy eran-tany. Misy amin’izy ireo ary no mpiara-miombon’antoka amin’irony fampindramam-bola madinika na micro finance irony izay tsy menatra mihitsy mampiasa taha efa 36% isan-taona, ka zary maika manidy varavarana ny banky lehibe satria any izy ireo mahazo tombony mihoa-pampana. Atsy amin’ny nosy maorisy nefa dia manodidina ny 10% ny taha alain’ireo banky rehefa mindrana ny mpanjifa. Diniho amin’izany ny sakana mahazo antsika mianakavy. Iaraha-mahalala anefa fa maro ireo tanora Malagasy no manampahaizana na teknika na fambolena na fiompiana. Ary ny firenentsika dia anisan’ny firenena voatahy ara-boajanahary fa io lafiny ara-bola io tokoa no tena lesoka lehibe. Eto am-pamaranana, dia mangataka etoana isika mianakavy mba hatao tena mangarahara ny fomba fisafidianana ireo tanora hahazo azy ireny. Sao lahy hatao fomba ahafahana mamoaka vola ho an’ny akama fotsiny izy ity. Ireo fahavalo politika mantsy etsy am-pita tsy mitsahatra ny mizaka ny henjika sy ny tohana isan-karazany. Nahoana tokoa moa no tsy mbola mivoaka ny onitra tokony haloan’ny fanjakana ho an’ny orinasa TIKO nefa dia niaraha-nahita izao ny fanapotehana azy tamin’ny 2009 ? Antenaina fa ny haminavinana ny ratsy hiavian’ny soa, ary ny ho avy dia hamiratra foana noho ny lasa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.