Fihaonamben’ny vehivavy


  • Alakamisy 13 Febroary 2025

Hatao eto Madagasikara, herijika lehibe ho antsika hoy ny GF

Hampiantrano ny fihaonambe iraisam-pirenen’ny Comité Mondial des Femmes Chefs d’Entreprise (FCEM), hetsika iraisam-pirenena lehibe ho an’ny vehivavy mpandraharaha i Madagasikara ny 28-30 aprily 2025, ao amin’ny Novotel Convention & Spa Antananarivo. Io dia vokatry ny ezaka nataon’ny GFEM (Groupement des Femmes Entrepreneurs de Madagascar ) taorian’ny fahombiazan’ireo hetsika nokarakarainy. I Canada no nifaninana tamintsika, ka i Madagasikara no voasafidy tamin’ny alalan’ny salan’isa ambony 87% raha ny fanazavan’ny Filohan’ny GEFM Rtoa Fanja Razakaboana. Anisan’ny mpikamban’ny FCEM i Madagasikara, fikambanana natsangan’i Yvonne Foinant tamin’ny 1945, ary ankehitriny dia mampivondrona firenena maherin’ny 120 sy orinasa 5 tapitrisa, raha 250 kosa ny mpikambana ao amin’ny GFEM, izay ahitana mpandraharaha madinika sy salantsalany. Tanjon’ity FCEM ity ny hanampy ireo vehivavy amin’ny sehatry ny fandraharahana sy ny toekarena manerantany, ka nomena ny lohahevitra hoe : “vers une économie résiliente et inclusive : Les femmes entrepreneures à la croisee du nord et du sud” ity fihaonambe ity. Delegasionina 150 eran-tany eo no noho izany no ho avy eto Madagasikara amin’ity fihaonana goavana ity. Hanamarika ny andro voalohany ny fihaonan’ireo filohan’ny vehivavy mpandraharaha avy amin’ny firenena rehetra. Hifandimby manaraka izany ireo fifanakalozana lohahevitra lehibe toy ny « leadership des femmes », ny fampidirana ara-toekarena, ny fifandraisan’ny atsinanana sy andrefana, ary ny toekarena amin’ny ho avy. Hisy ihany koa hetsika ara-kolontsaina sy fifandraisana amin’ny alalan’ny « soirée culturelle » sy « soirée business gala », hifampizarana herijika ara-pandraharahana na «opportunités des affaires ». Nanamafy ny Filohan’ny FFEM Rtoa Fanja Razakaboana, fa zava-dehibe ity hetsika ity satria manome sehatra ho an’ny vehivavy mpandraharaha malagasy, hanehoana ny fahaiza-manaony sy hampitomboana ny fifandraisana amin’ny sehatra iraisam-pirenena satria mbola maro rahateo ireo vehivavy tsy manana fahafahana manatrika hetsika iraisam-pirenena.
MAMPAHAFANTATRA AN’I MADAGASIKARA, MIVELATRA AMIN’IREO FIFANAKALOZANA ARA-TOEKARENA
Ho an’ireo vahiny ho avy dia misy « circuit touristique » any amin’ny toerana malaza toa an’i Nosy Be, Morondava, Andasibe, Antsirabe, Ampefy. Lohahevitra lehibe nosafidiana amin’ny fihaonambe dia "Vers une économie résiliente et inclusive : Les femmes entrepreneures à la croisée du Nord et du Sud". Etsy andaniny, ankoatra ny firotsahany ao amin’ny FCEM, dia mpikambana ao amin’ny COMFWB (COMESA Federation of Women Business) sy ny ZLECAF (Réseau continental des associations de femmes entrepreneures en Afrique) ihany koa ny GFEM. Tanjona lehibe ny hanana vehivavy “championnes” amin’ny sehatra samihafa, ka hiroborobo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT