Toekarena

Fihaonambe ara-toekaren’ny Oseana Indiana Hisokatra amin’ny kaontinanta afrikanina


  • Alarobia 26 Septambra 2018

Hotanterahina etsy amin’ny village Voara Andohatapenaka manomboka anio ny fihaonambe ara-toekaren’ny nosy manodidina ny Oseana Indiana andiany faha-11.

 

Hampiavaka ity andiany manaraka ity ny fisokafana sy ny fiaraha-miasa ataon’ny mpandraharaha ny oseana Indiana amin’ny kaontinanta afrikanina. Fantatra fa maro be ireo sehatra mbola azo trandrahana ary anaovana fandraharahana eto Afrika ka ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny firenena afrikanina. 150 mahery eo ny mpisehatra avy amin’ny fanjakana sy ny tsy miankina ho avy ao amin’io foara haharitra 3 andro io. Hisy ny fandinihana ny olana sedrain’ny mpandraharaha eo amin’ny fampandrosoana ny orinasany amin’ny lafiny maro. Hampiarahina amin’ity fihaonambe ara-toekarena ity ihany koa ny fampirantiana famoronana Voatra andiany faha-5 (salon de la créativité Voatra) izay karakarain’ny tranoben’ny Varotra sy Indostria isan-taona hampisehoana ny fahaizan’ny mpandraharaha Malagasy. Ankoatra izay moa dia hisy hatrany ny atrikasa mandritra ny 3 andro hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana ary hifampizarana traikefa hanamafisana orina ny fiaraha-miasan’ny Nosy eto amin’ny oseana Indiana sy ny kaontinanta afrikanina.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT