Toekarena

Fifindramonina arak`asa Mila vaovao marim-pototra avy amin`ireo mpanao gazety


  • Zoma 12 Jolay 2019

Manana anjara lehibe ny OIT (Organisme International de Travail) eto Madagasikara amin`ny fampahafantarana ny zava-misy marina manoloana ny fifindramonina arak`asa.

 

Ny tsy fahalalana ny zava-misy marina no maharisika ireo tanora malagasy miroboka amin`ny asa any ivelany. Olana sedrain`ireo mpiasa an-trano any ivelany hatrizay ny fampijaliana ara-batana sy ara-moraly ataon`ny mpampiasa azy ireo any an-toerana any amin`ireo firenena tatsinanana toa an`i Koweit, Liban… Tsara tokoa, hoy ny OIT ny mampahafantatra ny zava-misy marina ho an`ny tsirairay mba hahafahana mandray fanapahan-kevitra amin`izay tokony horaisina aorian`ny vaovao marim-pototra. Miara-miasa amin`ny mpanao gazety mpanao fanadihadiana maromaro ny OIT mba hahafahana mitrandraka sy manome vaovao azo antoka. Nisy atrikasa niarahan`ny OIT sy ny mpanao gazety nanomboka omaly izay hifarana anio mba hahafahana manatratra ny tanjona. Tsy anjaran`ny OIT no mandrara sy manery ny fanjakana fa mba hanampy fahazaoana ny hevitry ny besinimaro. Entina hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpanao gazety, indrindra amin`ny fitrandrahana vaovao mahakasika ny fifindramonina arak`asa sy anatin`ny sehatry ny ady atao amin`ny tsy fahamarinana sy amin`ny fanadevozana maoderina. “Pour l`engagement des medias pour le recrutement equitable » no lohahevitry ny atrikasa iarahan`ny OIT sy ny mpanao gazety.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT