Fifehezana ny vidim-piainana

5 taona aty aoriana, miharihary fa poakaty ny SPM


  • Talata 20 Aogositra 2024

Ampangain’ny karatra sy ny vokatra ny Fanjakana Rajoelina ! Dimy taona aty aoriana, miharihary fa tsy

nahomby ny fifehezan’ny Fanjakana ny vidim-piainana tamin’ny alalan’ny orinasa SPM (State Procurement of Madagascar) izay natsangana tany amin’ny novambra 2019. Fanapahan-kevitra noraisina taorian’ny fikorontanan’ny famatsian-tsolika ny oktobra 2019, niafara tany amin’ny fanalana ny Minisitry ny angovo tamin’izany fotoana Atoa Vonjy Andriamanga io. Làlan-tsaina tamin’ny fananganana an’io ny hoe : hanafatra mivantana ireo entana ilaina andavanandro na ny PPN sy ny solika mba hisorohana ny fakana tombony mihoampampana noho ny dingana maro samihafa miainga amin’ny mpanafatra, mpaninjara,... Nandeha ny serasera samihafa toy ny resaka Jirama izay efa nisy resaka fanafarana solika mivantana, ary tahaka izany ihany koa ny solika ampiasin’i Madagasikara saingy resabe, nentina tamin’ny hoe : tsy misy toerana hanatobiana azy,… Ny fanafarana vary no hany mba hita taratra kely, saingy zavatra tokony hovokarina eto no nireharehana, nilazana fa afaka manafatra sambo 4,5,6 hatramin’ny 20 hamatsiana ny vahoaka. Tsaroana tsara rahateo ilay tenin’Atoa Andry Rajoelina nandritra ireny vanim-potoanan’ny coronavirus izay nilazany fa tsy afaka hiandry vary 2 taona vao miakatra izy. Tsy vita ilay fanafarana PPN ary izay kely natao tsy laharam-pahamehana sy vao mainka nandany vola, nentina nampiasaina tamin’ny serasera politika ny vary mora,… Ny resaka solika nitsefotra satria rehefa tena zohiana dia tsy manam-bola hividianana an’izany ihany koa ny Fanjakana, ary tsy afaka tena hifampitady amin’ireo hery ara-toekerana mifehy ny tontolon’ny solika sy ny PPN eto. Tsaroana tsara ny jona 2019 nanaovana serasera mipoapoaka fa mila mihafy kely ny Malagasy fa tena hiady mafy amin’ny resaka solika ingahy Filoha kinanjo 100Ar isaky ny litatra ny fihenana. Zava-doza no niseho ny jolay 2022 isika vao avy nizaka ny tsy eran’ny ny ainy nandritra ny valanaretina covid-19 izay nahazoana fanampiana hatrany amin’ny 1,2 miliara dolara saingy nataon’ny mpitondra sasany tantely afa-drakotra hany ka vilany iray aza novidiana 1000 000Ar,… Fanafarana bus maoderina 1000 isa no hany mba vahaolana naroson’ny fitondrana. Tao anatin’ny 5 taona, eny fa hatramin’izao dia mbola io iaraha-mahita io ny olana amin’ny resaka solika toy ny resaka io mahazo ny Jirama io izay ny resaka solika no ampahany betsaka amin’ilay trosa 1500 miliara Ar. Raha tena nanam-bola ny Fanjakana, efa ela no nividy solika mivantana na dia hanodinana ny Jirama, nanafatra PPN araka ny nampanantenainy,… saingy noho ny tsy fahaiza-mitantana, dia na ny sandan’ny Ariary aza io tafakatra 5000Ar mitaha amin’ny euro io. Asa mbola misy ve ilay SPM ankehitriny sa nanjavona toy ny IEM izay poakaty ihany koa?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT