Velon-taraina ireo mpandraharaha tsy miankina noho ny gaboraraka misy ankehitriny amin’ny fidiran’ny entana avy any ivelany izay tsy manaja ny fenitra sy ny kalitao araka ny tokony ho izy.
Efa nisy ihany antso avo nataon’izy ireo tamin’ny alalan’ny filohan’ny Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara (SIM) Freddy Rajaonera, ny amin’ny tokony hametrahana fepetra mazava hiadiana amin’io fifaninanana tsy ara-drariny io. Misy fiantraikany ratsy tokoa mantsy ireny fanafarana entana tsy ara-dalàna avy any ivelany ireny toy ny tsy fandoavana hetra ary manakana ny famoronana asa eto Madagasikara ary indrindra sakana tsy ahafahan’ny orinasa Malagasy mifaninana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Na dia efa nisy ihany ezaka nataon’ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana ny amin’ny fanaraha-maso ireny entana ireny toy ny famotehana sy fandorana ny entana simba sy efa lany daty dia hita ho mangingina izany rehefa vita ny fety. Tsy ampy ihany koa ny fampiharana ny dinika sy teti-dalàna nataon’ny mpandraharaha tsy miankina sy ny fanjakana. Zary lasa resaka ambony latabatra fotsiny izany ka raha mitohy ny tsy fandraisan’andraikitra dia ho potika hatrany ny orinasa sy ny vahoaka Malagasy.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.