Manomboka miha ritra ny fahana finday (crédit) eny anivon` ireo tsena mpaninjara vokatry ny fisian` ny aretina COVID-19 eto amintsika. Maro mpanjifa no nanao tahiry fahana nandritra ny andro maro, hoy ny fanazavana nataon` I Jacky, mpivarotra “épicerie” etsy Ampitatafika.
Misy no maka fahana hatramin` ny 100 000 ariary mihitsy ireo mpanjifa sasany. Efa niantso ireo tompon’andraikitra ara-barotra izy hanao kaomandy dia efa voaray ny fangatahana ny valiteny azony tamin` ny sabotsy lasa teo. Omaly talata dia mbola tsy tonga ireo kaomandy natao. Ireo mpikirakira vola amin` ny finday (M-Vola, Airtel Money, Orange money…) kosa anefa no mahazo tombony. Manao petra-bola fotsiny ny mpanjifa dia mividy fahana ao amin` ny findainy ihany. Midika izany fa miroso amin` ny “Money banking” isika Malagasy. Etsy ankilany, maro ireo banky no efa miara miasa amin` ireo orinasa misahana ny fifandraisan-tseratsera ireo. Tsy mila intsony manatitra vola mivantana any amin` ny banky intsony ny mpanjifa fa eny amin` ireo kioska mpikirakira vola amin` ny finday no manantona dia vita ny asa. Tsy mila mandalo banky intsony ihany koa raha hanontaniana ny volanao any amin` ny kaonty fa amin` ny alalan` ny mailaka dia afaka tanterahina izany. Ny orinasam-panjakana JIRAMA aza dia efa manentana hatrany ireo mpanjifa fa afaka mandoa ny faktiora amin` ny alalan` ny finday izy ireo. Mbola somary mipetraka olana anefa io fomba fiasa io indraindray; misy ireo mpanjifa nilaza fa efa nandoa ny vidin-jiro tamin’ny alalan’ny finday saingy milaza avy eo ny Jirama fa hoe tsy voarainay izany ; raha sanatria moa ka voafafa tsinahy ny hafatra amin` ny finday (SMS) dia vao miha loza. Mametra olana matetika kosa ny fikorotanan’ny tambajotra hany ka misy fotoana tsy misy “réseaux”mihitsy ny faritra sasany .Na dia izany, mihazakazaka ary tsy azo lavina ny fivoaran’ny teknôlôjia amin’izao fotoana, ary anisany tena maharaka ny eto Madagasikara.Mipetraka ho isan’ireo fitaovana fototra amin’ny fampandrosoana ny teknôlôjia nomerika ary tsy maintsy fehezina sy hakana tombotsoa.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.