Toekarena

Fifandraisana ara-toekarena maneran-tany Tokony hahay maka tombontsoa i Madagasikara


  • Zoma 18 Janoary 2019

Tsy maintsy mahay mifandray amin’ireo firenena avy any ivelany i Madagasikara, indrindra ny amin’izao fotoanan’ny fanatontoloana izao.

 

 

Maro ny fifanarahana nosoniavina tamin’ireo firenena matanjaka raha tsy hiteny afa tsy ny tamin’ny Amerikanina sy ny vondrona eoropeanina ary i Sina. Efa nisy ezaka be nataon’ny fitondrana faha-Ravalomanana tamin’ny fotoan’androny ary efa nitsidika kely izany ihany koa ny fitondrana teo aloha. Efa hita taratra ireny saingy tsy mbola tafavoaka ny Malagasy fa mainka mihamahazo vahana ny fahantrana, indrindra tamin’ny nandalovana ny fotoanan’ny tetezamita izay nampisaraka tanteraka tamin’ny sehatra iraisam-pirenena. Amin’izao fotoana izao dia mahazo tombony hatrany ny firenena manankarena sy matanjaka ary mifehy ny tsena iraisam-pirenena mihitsy. Tokony ho tombony be amin’i Madagasikara izao ny maha mpikambana azy ao amin’ny SADC sy COMESA raha mahay mifandray sy mametraka tsara ny maha izy azy ny fireneny ny filoha. Mila mijery hatrany ny tombontsoa ara-toekarena aloha ary mahay mifandresy lahatra amin’ireny firenena matanjaka ireny vao tokony hiroso amin’izay mety ho fifanarahana. Mitodika hatrany any amin’ny filoham-pirenena vaovao aloha ny rehetra ary  efa  miandry izay hataony eo, indrindra ny amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena mba ho tombony ara-toekarena ho an’i Madagasikara.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT