Toekarena

Fifandraisana ara-barotra sy ara-toekarena


  • Alarobia 26 Aprily 2023

Hanamafy ny fiaraha-miasa ny Italianina

Nisy ny fihaonana teo amin’ny Masoivoho Italianina miantsoroka an’i Madagasikara izay monina any Pretoria Afrika Atsimo Atoa Cuculi Paolo sy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny Fanjifana Edgard Razafindravahy, nandresena lahatra ny hisian’ny fiaraha-miasa ara-barotra matotra amin’i Italia sy Madagasikara amin’ireo vokatra ahafantarana antsika. “Tsy ny lavanila ihany satria manana vokatra miavaka sy ambony kalitao betsaka toy ny kakao tsara, dipoavatra mena, dipoavatra, jirofo na letisia izahay”, hoy io Minisitra Malagasy io raha nandray ity diplaomaty Italianina ity tetsy Ambohidahy. Mirona kokoa amin’ny fifampivarotana mivantana amin’ireo tantsaha mpamokatra ny Minisitra misahana ny Varotra. Manana andraikitra lehibe amin’izany ny Antenimieran’ny Varotra (CCI) amin’ny fampifandraisana ny mpamokatra, fikambanan’ny mpamokatra sy ireo mpividy. Nampanantena ity masoivoho vahiny ity fa hampahafantatra ireo vokatra mampalaza an’i Madagasikara amin’ny hetsika « Herinandron’ny nahandro italiana maneran-tany ». Nanolo-kevitra koa ity diplomaty ity ny hidiran’i Madagasikara sy ny mpandraharahany anatin’ny vovonana ara-toekarena italiana (Plateforme économique italienne) iray vaovao ahitana ireo orinasa sy vokatra manerana an’izao tontolo izao, afaka mampifandray ny mpivarotra sy ny mpividy. Fantatra amin’ny hatsaran’ireo milina indostrialy avy any aminy koa moa i Italia. Izany indrindra no nahatonga ny Minisitra Edgard Razafindravahy naneho ny fahavononany hiara-hiasa hanatanterahana ny Tetikasa ODOF (One district one factory), hoy ny fampitam-baovao. Anatin’ny filan’i Madagasikara ireo milina madinika azon’ny kaoperativa anodinana ny vokatry ny fambolena. Tanjona, hoy ny Minisitra, ny hampitaovana ireo kaominina sy distrika ahafahany mampitombo sanda ny vokatra eo an-toerana.

Nanamafy moa io diplaomaty io, fa maniry ny hisian’ny dingana lehibe hanamafisana ny firahalahiana ara-tantara sy ara-kolontsaina eo amin’ny tany roa tonta. Isan’ny noresahany ny lazan’i Madagasikara amin’ny fahasintonana mpizahatany, ka taorian’ny covid-19, raha ny tamin’ny taon-dasa, dia nahatratra 30 000 ireo Italianina tonga teto, ary heverina hahatratra 70 000 amin’ity taona ity.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT