Toekarena

Fifandraisana ara-barotra Hohatsaraina ny fiarahan’i Madagasikara amin’ireo firenen-kafa


  • Talata 14 Novambra 2017

Hohatsarana ny fiarahan’i Madagasikara amin’ireo firenen-kafa marobe any ivelany amin’ny lafiny fifandraisana ara-barotra. Notanterahina nanomboka omaly etsy amin’ny hotel Carlton Anosy hifarana anio talata 14 novambra ny atrikasa mifandraika amin’izany.

Loharahana amin’ireny ny fifandraisana ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy Afrika, hoy ny minisitra Chabani Nourdine, omaly. Tafiditra ao anatin’izany ny fisokafana amin’ny tsena mivondrona ao amin’ny SADC, ny COMESA… hoy hatrany izy.  Tsy tenenina am-bava fotsiny anefa fa tsy maintsy hatsaraina sy hampitomboina ihany koa ny vokatra eto amintsika mba hahafahana mamatsy ireo mpanjifa manodidina ny 360 tapitrisa any amin’ireo vondrona voalaza etsy ambony ireo. Hiroso amin’ny fanampiana ireo tantsaha mpamokatra ny fitondram-panjakana hahafahana mampiroborobo ny fifandraisana ara-barotra eto an-toerana sy any ivelany. Tsiahivina fa vao ny 12 %-n’ireo  vokatra eto amintsika monja no haondrana atsy  Afrika ankehitriny, ny 70 % any Azia ary ny 80 % any Eoropa…

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT