Toekarena

Fifanarahana tamin’ny « Rothschild & Co » Tsy nangarahara no sady poakaty ny vokatra


  • Zoma 20 Janoary 2023

Herintaona sy roa volana izay no lasa tamin’ny nisafidianan’ny Fanjakana Rajoelina ho "Conseiller financier" na mpanolotsaina ara-bolan'ny Repoblikan'i Madagasikara ho ny Kabinetra « Rothschild & Co».

Notaterina sy nankatoavina tao anatin’ny akon’ny filankevitry ny Minisitra ny 10 novambra 2021 ny naha ofisialy sy ara-dalàna an’io. Fifanarahana 15 volana azo havaozina, ary nanan-kery nanomboka ny 15 novambra 2021 hatramin'ny 15 febroary 2023 ny fotoam-piasana miaraka amin’i Madagasikara natolotr’ity kabinetra ity. Afaka iray volana sy tapany izany dia ho tapitra ka mby aiza ny vokatra? Tsy nisy fangaraharahana ny tambin’ny fiaraha-miasa tamin’ny Rothschild ary maro aza no nitsikera hoe: io no hitantana ny volan’I Madagasikara,... Tsy nazava ihany koa ny tambiny tamin’ny fakana azy, ary tsy tokony ho hadinoina fa resaka banky no tena hahafantarana ny Rothschild, izany hoe: fitadiavana tombony ka asa hoe: nitady tombony ve isika ka natombony? Ny serasera natao dia toa fiaingana vaovaon’ny PEM (Plan Emergence Madagascar) kinanjo inona no teo? Momba ny fangaraharahana, moa mba nijery ny tena fifanarahana sy ny tambiny ve ny parlemanta sa dia mpanangata-tànana sy mpanao “Merci prezida” fotsiny? Nihatsara ve ny ara-bola sy ara-toekaren’I Madagasikara? Nambara fa manolotra avy hatrany ireo asa: Fiomanana amin’ny fidiran’i Madagasikara ao anatin ny tsenam-bola fanatsarana ny "indicateurs de compétitivité" an’i Madagasikara ; Famatsiam-bola indray ny rafitry ny renivolan’i Air Madagascar sy itadiavana mpampiasa vola vaovao, amin’ny alalan ny fonds propres sy/na trosa fitadiavana famatsiam-bola ho an’ireo tetikasa laharam-pahamehana ao anatin’ny drafitra fampandrosoana an’i Madagasikara na PEM,... Nilaza ny mpitondra fa ny traikefa ananany dia tena ilaina amin'ny famaritana ny paikady ara-bola mety no an’i Madagasikara amin’ny fanohanana azy amin’ireo dingana rehetra amin’ny fifampiraharanana ara-bola. Afaka mangataka amin’ny Rothschild amin’ny sehatra hafa toy ny famaritana ny rafitra "macro-fiscal”, ny fanomanana ny drafi-pampandrosoana nasionaly, ny toro-hevitra mampandroso amin’ny filaharana "Ease of doing Business sy ny OECD (Organisation for Economic Cooperation and Development),... Karazana antso vonjy amin’ny fitadiavana mpiara-miombon’antoka ara-bola, nitadiavana fanokafana ny làlantsika amin’ny fikarohana mpiara-miombon’antoka sy mpamatsy na mpampiasa vola, saingy iaraha-mahita ny vokatra ankehitriny. Mety tsy ny Rothschild no tsy mahay, fa ny fitondrana Rajoelina no efa sarotra havotana. Ny mpiara-miombon’antoka ihany koa mijery foana ny: fanjakana tsara tantana, ady amin’ny kolikoly,, demokrasia,… fa tsy hoe: niantso ny Rothschild dia handeha ho azy ny zava-drehetra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT