Toekarena

Fifanarahana tamin’Ambatovy sy QMM Namaly ny kiana nataon-dRajoelina i Ravalomanana


  • Alarobia 11 Aogositra 2021

Nanenjika sy nanakiana ankolaka an’I Marc Ravalomanana Filoha teo aloha hatrany ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina tamin’ny fifanarahana nahafahan’ireo orinasa lehibe mpitrandraka harena an-kibon’ny tany ny ny

 “grandes mines” hitrandraka eto Madagasikara, dia ny QMM sy ny orinasa Ambatovy. 17 taona izao no nitrandraka nanomboka ny 2004 ny QMM. « Lazaina fa 20%, ny petra-bolan’ny Fanjakana, saingy tao anatin’izany mbola tsy nizara “dividende” na 1 dolara aza. Toy izany ihany koa Ambatovy, ary isika dia firenena faharoa mamokatra Nikela sy kobalta. 8 dolara ny nikela, ary efa 19 dolara aminizao. Ny “taxe” dia 2%, ary mbola misy niala aza dia 1,40%”. Tsy izaho no nanao an’ireo, ary ny fiarovako ny tombotsoan’ny Malagasy no ananako olana », hoy I Andry Rajoelina. Nambarany fa izay nanao Sonia an’ireny dia mitsotsotra. Namaly bontana an’io kosa I Marc Ravalomanana omaly rehefa nanontaniana. “Izahay efa zatra kianina, ny manao ny marina dia tsy maintsy henjehina foana. Efa nanontany tany ambony tany izy, efa niresaka tamiko ny Ambasadaoron’I Japon hoe: tena nandray kolikoly tao ve, ary nilaza aho hoe: jereo. Nidera antsika aza ny Masoivohon’I Japon. Heverin-dry zareo hoe: nanao kolikoly taty amiko ry zareo Japonais, ka tsy nanao an’izany aho tamin’ny fitondrako, ary izay no ahafahako mijoro milaza ny marina amin’ny vahoaka Malagasy”, hoy kosa i Marc Ravalomanana somary hentitra.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT