Toekarena

Fifanarahana ho fanamorana ny fivezivezen’ny entana Maro ny tombony ara-toekarena entiny


  • Zoma 11 Mey 2018

Nisy ny fihaonamben’ny manampahaizana manokana amin’ny fadintseranana eran’i Afrika izay natao teto Madagasikara hametrahana ilay fifampiraharahana entina hanafaingana sy hanamora ny fiveziven’ny entana manerana ny Afrika (AFE).

Tena ilaina tokoa io fifanarahana io satria miteraka tombontsoa ara-toekarena maro ho an’ny firenena afrikanina mifanondrana sy mifanafatra entana. Fantatra fa mbola ambany dia ambany ny tahan’ny takalo ara-barotra ifanaovan’ny samy tany afrikanina. Araka izany, lasan’ny firenena hafa tahaka an’i Sina sy Inde hatrany ny tsena izay tokony hifanakalozan’ny samy afrikanina. Ity fanamafisana fiaraha-miasan’ny fadintseranana eran’i Afrika ity dia miteraka fananganana faritra ifanakalozana malalaka (zone de libre échange). Araka izany dia hisy ny fanafoanana ny saran’ny fitaterana (coût des transports) mba hanamora ny fifanakalozam-barotra hitsinjovana hatrany ny tombontsoan’ny firenena tsirairay manao izany. Ankoatra izay, afaka manasongadina tsara ny fahaiza-manaony sy ny harena ananany ny firenena afrikanina iray ary afaka mahazo entana sy vokatra tsara ihany koa ny hafa. Mazava tsara sy mirindra ihany koa ny dingana arahina eny amin’ny fadin-tseranana ary hisy ny fampidinana sara (tarif douanier) ka afaka miaina tsara ny mpandraharaha sy ny orinasa mpanondrana entana. Eo ihany koa ny tombony ara-potoana sy fihenan’ny vola mivoaka ka miteraka farim-piainana ambony kokoa ho an’ny mpisehatra amin’ny fanondranana. Ity AFE (Accord des Facilitation des Echanges) ity dia hanamora ny fanamarinana eny amin’ny fadintseranana ary indrindra hampihena ny kolikoly izay misy eny. Izany tombontsoa rehetra izany moa dia hiteraka fampandrosoana haingana ho an’ny toekarena.

Tsiry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT