Toekarena

Fifanarahana fiaraha-miombon’antoka ara-toekarena Tombony ho an’ireo firenena manao azy


  • Alarobia 03 Oktobra 2018

Maro ny tombony azo amin’ny fifanarahana fiaraha-miombon’antoka ara-toekarena (APE) ataon’ny firenena anankiray. Io APE io mantsy no miteraka ireo fepetra ilaina amin’ny varotra sy ny fandraharahana amin’ireo firenena manao azy.

 

 

 

 Betsaka ireo tombony toy ny fahalebiazan’ny tsena izay miteraka fivelarana amin’ny sehatra ara-barotra. Malalaka kokoa amin’ireo firenena manao ny fifanarahana ny fanondranana amin’ireo samy mpikambana. Eo ihany koa ny tsena mankany amin’ny firenena eoropeanina. Tombony ihany koa ny fampitomboana sy ny fanatsarana ny sehatra famokarana noho ny mety hisian’ny fampiofanana sy ny fifampizarana traikefa. Tena zava-dehibe ihany koa ny fangaraharana sy ny fitoniana ara-politika sy toekarena satria firenena milamina  ary manana vokatra maha izy azy no takiana ao mba hampivoarana hatrany ny varotra sy ny fampandrosoana. Ahitana ny vokatra tsara kalitao sy vaovao hatrany ary tsy dia lafo noho ny fisian’ny fifaninanana ao ka mahatonga ny rehetra hiezaka amin’ny famokarana ataony. I Madagasikara manokana dia tokony hanana tombony maro amin’izany. Iaraha-mahalala mantsy fa manana ny vokatra tsara afaka mifaninana tahaka ny lavanila, ny jirofo, ny kafe sy ny kakao isika.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT