Fifanakalozantsika

ara-barotra amin'i Etazonia


  • Alakamisy 05 Febroary 2026

Mitohy ny AGOA, hisy ny fanavaozana,

manohy ny ezaka ny Fanjakana...
Ankoatra ny hirosoana amin’ny APE (Accord de Partenariat Économique) eo amin’i Madagasikara sy ny Vondrona Eoropeanina izay mikendry ny hanamafisana ny fifanarahana ara-barotra sy hanohanana ny fivelaran’ny sehatra tsy miankina Malagasy, dia nahazo fanavaozana indray mandritra ny herintaona ny AGOA (African Growth and Opportunity Act) taorian’ny fahataperan’ny fe-potoana tamin’ny septambra 2025. Araka ny fanapahan-kevitra nosoniavin’ny Filoha Amerikanina Donald Trump ny talatsa teo, dia mihatra indray ny AGOA nanomboka ny 30 septambra 2025 (effet rétroactif) ka hatramin’ny 31 desambra 2026, manome antoka ny fitohizan’ny fidiran’ny vokatra malagasy ao amin’ny tsena amerikanina amin’ny fepetra manokana sy ahazoan-tombontsoa. Ny tapaky ny janoary 2026, ny volavolan-dalàna izay efa nolanian’ny depiote Amerikanina, dia mikendry ny hanalava ny fe-potoana fampiharana ny AGOA ho telo taona, hatramin’ny 2028. Nisy kosa ny fifanarahan’ny Fiadidian’ny Maison Blanche sy ny Antenimierandoholona ka nanaovazana ny tolo-dalàna HR 7148, nampiditra ny fanavaozana ny AGOA ho herintaona monja, mba hifanaraka amin’ny fanirian’ny fitondrana Trump hanavao sy handinikan lalina indray ny fandaharan’asa. Zava-dehibe ara-toekarena ny ny fitohizan’ny AGOA, indrindra ho an’ireo orinasa malagasy mpanondrana amin’ny sehatra toy ny indostrian’ny lamba sy ny lavanila, izay mampiasa Malagasy an’aliny. Ity fanavaozana ity dia heverina ho famantarana stratejika ho an’ny fifandraisana ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy Etazonia, satria ahafahana mitahiry ireo zava-bita efa azo, miantoka ny fitohizan’ny fifanakalozana ara-barotra, ary manome fahitana mazava kokoa ho an’ireo mpisehatra ara-toekarena voakasika.
MITOHY NY ADIDISIKY NY FANJAKANA, HIFAMPIDINIKA AMIN’IREO VOAKASIKA
Ankehitriny, mandinika lalina ny governemanta amerikanina momba ny hoavin’ny rafitra ara-barotra amin’ny kaontinanta afrikanina, ka resahina ny safidy maro toy ny fanitsiana ny AGOA na ny fametrahana fifanarahana ara-barotra mivantana eo amin’ny firenena roa tonta (accord bilatéral). Ireo lalana ireo dia efa iasan’ny Masoivohon’i Madagasikara any Etazonia tarihin’i Mme Lantosoa Rakotomalala, ary nohamafisina nandritra ny iraka ady sisika natao tany Washington, D.C. ny volana janoary 2026 notarihin’ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana Ramatoa ANDRIAMADISON Haingotiana Michela Angèle. Ho an’i Madagasikara, ity fanavaozana ity dia manome fahafahana hanomanana sy hanamafy paik’ady, ahafahana miatrika mialoha ireo mety ho fivoarana amin’ny fiaraha-miasa ara-barotra amin’i Etazonia ao anatin’ny tontolo iraisam-pirenena miovaova. Hisy noho izany ny fifampidinihana na "dialogue public–public" eo amin’ny sehatra ara-panjakana iarahan’ireo andrim-panjakana nasionaly sy mpiara-miombon’antoka mba handinihana ireo fepetra mety horaisina hanohanana ireo sehatra voakasika sy hampifanarahana ny fomba fijery amin’ny dingana manaraka.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

  • Fanatsarana ny
  • Talata 24 Martsa 2026

rafitry ny vola eto Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT