Nafana ny ady hevitra nataon’ny mpahay sy mpandraharaha ara-toekarena omaly tetsy any amin’ny Hotely Carlton Anosy. Iaraha-mahita ny firosoana sy ny fihazakazahan’ny toekaren’ireo firenena nahantra niaraka tamin’i Madagasikara .
Misy araka izany ny firenena maromaro natao ohatra nampitahana tamin’i Madagasikara tahaka an’i Rwanda, Nigeria, Ethiopie. Nahay niezaka sy nametraka fitsipika fifampifehezana tamin’ny asa mafy natao izy ireo araka ny fanadihadiana ka rariny raha mandroso hatrany. tamin’izany no nitarafana Hita fa tsy mifanindry an-dalana mihitsy ny fitomboan’ny isan’ny mponina Malagasy sy ny harinkarena eto amin’ny firenena. Noho izany dia tsy mizotra mihatsara ny fiainan’ny mponina satria tsy misy fitomboana hita ho mivaingana ny harinkarena. Niray hevitra ny rehetra fa tokony miasa mafy ary mila miray hina ny mpisehatra ara-toekarena indrindra ny sehatra tsy miankina hahatanteraka ny fampandrosoana. Manoloana ny fisian’ny toerana malalaka ifanakalozan’ny kaontinanta afrikana (ZLECAF) izay tsena lehibe dia tsapa hatrany fa ny vokatra any ivelany no manenika ny tsena afrikana. Raha I Madagasikara manokana izay manana ny akora fototra maro izay tokony ahodina dia efa mifototra amin’ny fitrandrahana izany. Hitondra asa maro ary hampiroborobo ny orinasa eto an-toerana izany ka tsy hanafatra foana ny entana avy any ivelany izay mitondra fatiantoka ny firenena. Niara-nanaiky fa tsy maintsy ampitomboana ny famokarana mba hisy ambim-bava haondrana. Voaresaka tao hahatanteraka izany ny fampiroboroboana amin’ny fandraharahana indrindra ny any ambanivohitra. Tsy azo adino ihany koa anefa ny fampandrosoana ny fanabeazana mba hifehezana hatrany ny teknolojia hampiroborobo ny Indostria eto an-toerana. Rehefa mandroso tsara ny orinasa Malagasy dia ho moramora amin’I Madagasikara ny misehatra ao amin’ny ZLECAF raha tsy izany dia ho fatiantoka hatrany.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.