Toekarena

Fifanakalozana ara-barotra Mpanjifa mampidi-bola be an’i Maorisy i Madagasikara


  • Talata 28 Janoary 2020

Mihamafy hatrany ny fifandraisan’i Maorisy sy i Madagasikara eo amin’ny lafiny ara-toekarena.

 

Misy ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta amin’ny sehatra fifanakalozana ara-barotra sy ny fizahantany izay mampalaza an’i Maorisy. Na dia nandamoka ary ny  fametrahana ny faritra ara-toekarena manokana (ZES) tamin’ny fotoan’androny dia anisan’ny mbola tafiditra anatin’ireo firenena 5 mampidi-bola be an’i Maorisy i Madagasikara eo amin’ny sehatra ara-barotra, indrindra ny fanondranana. Nahatratra hatramin’ny 348 tapitrisa Rs na 33 944 738 805 Ariary (1Rs=98,39 Ar) ny fanafaran’entana nataon’ny firenena Malagasy avy any Maorisy ny taona 2019 lasa teo. Isika no faha-5 amin’ireo firenena tena manafatra entana any aorian’i Grande Bretagne, Afrika Atsimo, Frantsa ary Etazonia. Na izany aza dia nitotongana hatrany ny sehatra fanondranana tany Maorisy satria lasa nitombo be ny fanafarana nataony, indrindra tamin’iny taona lasa iny. Ny volana novambra 2019 fotsiny dia efa tafidina hatrany amin’ny 99 miliara Ariary izany izay manome fatiantoka hatrany amin’ny 13,4% raha oharina ny taona 2018. Ny alakamisy 23 janoary lasa teo aza dia nilaza ny teo anivon’ny Statistics Mauritius fa nihena hatrany amin’ny 1,18 miliara Rs na 116 miliara Ariary  teo ny vola niditra. Miezaka manentsina hatrany ny fatiantoka isam-bolana ny firenena maorisianina saingy tsy tafavoaka hatreto satria ambony be ny fanafarana solika, ny sakafo ary ireo fitaovana maro samihafa  ataony, indrindra ny avy any Sina. Tsy misy afa-tsy ny fitodihana amin’ny fampiroboroboana sy ny fampiakarana  ny fanondranana entana atao ihany no tena vahaolana noraisina ankoatra ny fihazonana mafy ireo mpizahatany.  Firenena anisan’ny ahazoany tombontsoa be hatreto i Madagasikara ary inoana fa tsy maintsy ezahiny tazomina hatramin’ny farany. Tokony hahay handray fanapahan-kevitra ireo tompon’andraikitra eto amin’ny firenena mba hiezaka ihany koa amin’ny fanondranana ny vita Malagasy mankany satria mbola fatiantoka foana ny lanja ara-barotsika.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT