Toekarena

Fifanakalozana ara-barotra Kely ny miditra amin’ny fanondranana


  • Talata 06 Martsa 2018

Mifarana anio ny atrikasa andiany faharoa hijerena izay hahafahana mampivoatra ny antsoina hoe « commerce de service » na varotra ifanakalozan’ireo mpandraharaha malagasy amin’ny samy eto sy ny sehatra iraisampirenena, indrindra, aty amin’ny faritr’i afrika etsy amin’ny Panorama nanomboka omaly.

Novatsian’ny vondrona eoropeanina sy ny Sadc moa ny andiany voalohany tamin’izy ity, raha ny fanazavana, ary izao andiany faharoa izao kosa ny iaraha-miasa amin’ny Comesa indray. Maro ireo sehatra nofidiantsika ampiharana ity antsoina hoe varotra takalo ity toy ny fitaterana, ny fizahantany, ny serasera, indrindra, moa ny fifanankalozana iraisampirenena. Mitaky fampiofanana hatrany ny mpiasam-panjakana izany, raha ny fanazavana, ary tokony ho vaindohan-draharaha. Ny resaka fikirakirana mampidi-bola vahiny betsaka indrindra dia ao, hoy ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny varotra. Ny sehatry ny fizahantany izay nahataomana mpizahatany miisa 300.000 tamin’ny taon-dasa izao, ohatra, dia nahazoantsika 700 tapitrisa dolara teo, hoy hatrany ny fanazavana. 740 tapitrisa ny teo amin’ny resaka fanafarana raha 250 tapitrisa dolara kosa ny fanondranana.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT