fifanakalozana ara-barotra

Hamafisina ny fiaraha-miasa amin’I Korea


  • Talata 29 Aogositra 2023

Nosoniavina omaly alatsinainy 28 aogositra 2023 tetsy amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny Anosy ny fifanarahana

eo amin’ny Repoblikan’I Madagasikara sy ny Repoblikan’I Korea, mikasika ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-toekarena, indrindra fa ny ara-barotra. Nanatrika izany ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana, Edgard Razafindravahy. Nanamafy ny Ambasadaoron’ny Repoblikan’i Korea eto amintsika fa zava-dehibe ity dingana vita ity eo amin’ny fampandrosoana ny firenena Malagasy ary indrindra ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ny fiainan’ny vahoaka malagasy. Ny fampiasam-bola eto Madagasikara no votoatin’izao fifanarahana izao. Manatsara ny fari-piainana ara-toekarena malagasy ny fananana mpampiasa vola satria mitondra famoronana asa ho an’ny mponina izany. Fampandrosoana maharitra no andrandrain’ny firenena roa tonta amin’izao fiaraha-miasa akaiky izao, hoy ny fampitam-baovao.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT