Toekarena

Fifanakalozana ara-barotra eto Madagasikara Napetraka ny tondrozotra


  • Zoma 27 Aprily 2018

Nampahafantarina omaly tetsy amin’ny Carlton Anosy ny fametrahana ny tondrozotra fanamorana ny fifanakalozana ara-barotry ny samy malagasy sy ny firenen-kafa na ny AFE.

 

Ry zareo avy eo anivon’ny CNFE no nampahafantatra tamin’ny ankapobeny ny voarakitra anatin’izy ity ka  nasiana tsindrim-peo ny faharetan’ny drafi-panarenana ny tontolo ara-barotra eto amintsika hatramin’ny taona 2023. Tanjona ny hampihena hatrany amin’ny 50% ny fandaniana mandra-pahatonga io fotoana io. Hisy koa ny paikady hapetraka hampitomboana ny taham-panondranana hatrany amin’ny 25%. Ny resaka fampitam-baovao sy ny fampiofanana ary ny lafiny serasera no tena hamafisina, raha ny fanazavana. Anisan’ny olana mamono ny tsena anatiny ny filan’ireo mpanjifa malagasy vokatra vahiny mihoatra amin’ny avy eto an-toerana. Ambany rahateo ny isan’ny indostria eto amintsika. Misedra izay olana izay indrindra moa, raha ny fanazavan’ny talen’ny varotra sy fanjifana eo anivon’ny Ladoany ny sehatra tsy miankina. Lafo ny saram-panondranana entana malagasy raha mitaha amin’ny firenen-kafa satria dia 800 dolara isaky ny entana aondrana izany ho antsika, raha toa 300 dolara ny an-dry zareo Maorisianina.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT