Toekarena

Fifanakalozana ara-barotra amin’i Malaizia Maty antoka i Madagasikara hatreto


  • Zoma 15 Novambra 2019

Tafakatra 85 tapitrisa dolara ny fanafarana entana nataon’i Madagasikara avy any Malaizia raha 5 tapitrisa dolara monja ny fanondranana tamin’ny taona 2018,

 

 

 araka ny tatitry  ny filankevitry ny fampandrosoana ara-toekarena (EDBM). Araka izany dia lavaka be ny fatiantoka ara-barotra ary maro ny antony mahatonga izany. Anisan’ny olana fototra ny tsy fisian’ny sidina mivantana Madagasikara-Malaizia ary tena manahirana ny mpandraharaha Malagasy. Maro anefa ireo entana afarana tahaka ny savony, ny menaka, ny taratasy sy ireo hafa izay mandalo firenena maromaro vao tonga aty Madagasikara. Avy any Malaizia dia mijanona ao Eoropa na Sina ny entana izay vao tonga eto amin’ny firenena. Izany no mahatonga ny fiakaram-bidy ary na ireo mpandraharaha malaizianina ihany koa aza dia mitaraina amin’ireo entana aondran’ny Malagasy tahaka ny episy sy lavanila amin’ny fahaelany. Izany rehetra izany no antony nampihaonan’ny fikambanana MMBC (Madagascar Malaysia Business Council) ny mpandraharaha 2 tonta niara-nijery vahaolana tetsy amin’ny Hotely Ibis Ankorondrano. Tanjona ny hampiroboroboana ny fifanakalozana ara-barotra mba samy hahazo tombony ireo firenena ireo.

Tsirinasolo

   

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT