Toekarena

Fifanakalozana ara-barotra amin’i Madagasikara Mihazakazaka ny Sinoa


  • Zoma 22 Septambra 2017

Nisokatra omaly teny amin’ny CCI (Centre de Conférence Internationale) Ivato ny «China Exhibition Madagascar.

Fifanakalozana ara-toekarena sy ara-barotra ho fanamafisana ny faha-45 taona nisian’ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy ny firenena sinoa ity hetsika ahitana tranoheva miisa 130 ity, araka ny lahateny nifandimbiasan’ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier sy ny masoivohon’i Sina teny an-toerana. Nirobororobo be moa ny fifandraisan’ny firenena roa tonta raha ny tarehimarika notanisain’ny ambasadaoro sinoa. Nahatratra 1,1 miliara dolara mantsy ny hadirin’ny fifanakalozana ny taona 2016, izany hoe avo 100 heny mihoatra ny tamin’ny taona 1972. Niabo 10,3% na mitentina 610 tapitrisa dolara kosa ny fifanakalozana ara-barotra ny enim-bolana voalohan’ny taona 2017 raha oharina tamin’ny taon-dasa. Nahatratra 377 tapitrisa dolara ihany koa ny fampiasambola sinoa teto Madagasikara ny taona 2016 miaraka amin’ny famoronana asa miisa 17.000. Mpiara-miombon’antoka ara-barotra voalohany, mpanondram-bokatra voalohany ary mpanafatra entana fahefatra Malagasy moa i Sina ankehitriny. Tosika ihany no hataon’ireo firenena vahiny fa ny Malagasy ihany no tompon’antoka hampivoatra ny toekareny hivoahana amin’ny fahantrana, hoy ny lehiben’ny governemanta. Andraikitry ny fanjakana noho izany ny manampy sy manohana ireo mpisehatra ekonomika, araka ny nambarany. Hifarana ny alahady izao ny «China Exhibition Madagascar» 2017. Ny 20 hatramin’ny 23 septambra 2018 kosa ny andiany faharoa.


Nangonin-dRamano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT