Feno 20 taona amin` ity taona ity ny “forum sur la cooperation Sino-afrikanina”izay manamarika ny fiaraha-miasa eo amin`I Sina sy ireo firenena afrikanina.
Tany am-piandohany dia fanohanana tsotra no nisy teo amin` ny roa tonta saingy izao dia lasa fiaraha-miasa stratejika izany amin`ny ankapobeany. Sehatra maro no iantsorohan`ny firenena sinoa eto Afrika toy ny siansa, ny teknolojia, ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny fiarovana ny fandriampahalemanana…. Ohatra amin` ny asa goavana nataon` ny sinoa teto Afrika ihany koa ny fananganana ny ivotoerana fampivoriana eo anivon` ny Vondrona Afrikanina, ireo lalam-by mampifandray an`Addis Abbeba sy Djibouti na koa Mombasa sy Nairobi. Tamin` ny taon-dasa, nitentina 49,1 miliara dolara ny fampiasam-bola mivantana nataon` I Sina teto Afrika, izay avo zato heny mihoatra tamin`ny taona 2000. Ho an` ny fifanakalozana ara-barotra indray dia nitentina 208,7 miliara dolara izany. Nandritra ny 11 taona nifanesy dia Sina no manohana ara-barotra voalohany taty Afrika ary nandray anjara tainn`ny fiakaran`ny harinkarena izay nahatratra 20%. Vonona hatrany hanamafy ny fifanakalozana ara-barotra eto Afrika I Sina, hoy ny fanambarana nataon` ny praiminisitra sinoa Xi Jin Ping.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.