Hotanterahina ny 1 ka hatramin’ny 5 aogositra ho avy izao etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ilay hetsika “Fier Mada” andiany faha-20 entina hanomezan-danja ireo karazam-bokatra sy sakafo mampalaza ny faritra 22 eto amintsika.
Hampiavaka ity andiany ity, araka ny fanazavan-dRamanantsoa Jacques, mpikarakara ny hetsika ny fisian’ny mari-pankasitrahana hozaraina amin’ireo mpandray anjara rehetra izay hisandrahaka amina tranoheva miisa 400. Eo ihany koa ny hanehoana ny maha sompitra sy mpamatsy sakafo ireo Nosy manodidina an’i Madagasikara. Ho avy hiakatra eto an-drenivohitra avokoa ireo mpamokatra rehetra avy any amin’ny faritra. Anisan’ireny ireo mpiompy akoho amam-borona, ny mpiompy trondro matavy, ireo mpanodina sakafo vita avy amin’ny ronono toy ny fromazy, ireo mpanao lamba landy, ny vokatra tantely izay tena ilaina amin’ny fahasalamana. Ny tapakandron’ny alarobia fiandohan’ny volana aogositra fotoana hanokafana ny hetsika dia natao maimaimpoana ny fidirana mba hahafahan’ny rehetra miantsena. Mandoa 1.500 Ar kosa izay taran’io tapak’andro maraina io. Ho an’ireo manan-janaka madinika dia mahazaka zaza roa ny tapakila iray. Olona manodidina ny 60.000 no andrasana amin’ity hetsika ity hahafahan’ireo tantsaha mpamokatra mifanakalo traikefa sy mitady mpiara-miombon’antoka hahafahana manolo-tanana ireo tena mamokatra. Tafiditra ao anatin’izany ireo monina any amin’ny faritra lavitra andriana sy saro-dalana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.