Toekarena

FIER MADA andiany faha-20 Ahitana mangahazo milanja 50 kg ny iray fototra


  • Alakamisy 02 Aogositra 2018

Nosokafana omaly teny amin’ny village Voara Andohatapenaka ilay Fier Mada andiany faha-20 hivarotana sy hampirantiana ireo karazam-bokatry ny tantsaha manerana ny Nosy.

 
Anisan’ny tena nahavariana ny maro teny an-toerana ny fisiana mangahazo be milanja 50 kg ny iray fototra. 1.500 Ar no hamarotan’ny fikambanana Loharano  ny taho-mangahazo iray amin’izay raha 500 Ar kosa ny iray kilao. Raha ny fanazavan’Atoa Gilbert anisan’ireo mpikambana dia avy any  amin’ny fokontany Antanifisaka, kaominina Antambolo, distrikan’Arivonimamo ireo mangahazobe hamidin’izy ireo sy hampirantiany ireo. Misy karazany roa ny mangahazo dia ny Madarasy sy “manioc farine”. Vokatry ny fampiharan’izy ireo ilay  teknika vaovao sy ny fampiasana ilay zezika  composte  hatao amin’ny tany volena no nahazoany ny vokatra tsara,  raha mahatratra  1 m3  kosa  ny lavaka tsy maintsy hambolena. Valo volana dia efa vokatra azo hanina ny mangahazo saingy raha hitady habeny hatrany amin’ny 50 kg kosa ny fototra iray dia mila maharitra 12 volana. Tsara ny tsiron’ny mangahazo amin’ny ankapobeny satria ny teo aloha ihany no nohatsaraina. Vonona ny hanome fiofanana ireo tantsaha liana amin’ny famokarana mangahazobe ny fikambanana hahafahana miady amin’ny tsy fahampian-tsakafo misy eto amintsika.

 

 

Pati


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT