FIEF-MADA

SY NY FARIBOLANA SANDRATRA


  • Alarobia 10 Jona 2026

Tsy mahasolo ny boky ny internet sy ny Facebook

Tsy mahasolo ny haren-tsaina sy ny fahalalana azo avy amin'ny famakiana boky ny fikirakirana internet sy ny filalaovana tsy mitsahatra ao anaty tambajotran-tserasera Facebook ho an'ny FIEF-MADA na ny Fifankatiavana sy ezaka fampandrosoana an'i Madagasikara tarihin-dRaharijaona Jean François filohany sy ny Faribolana Sandratra miaraka amin-dRtoa Felaniaina mpanoratra. Ny teny sy ny kolontsaina ao aminy mantsy no maha-firenena ny firenena iray raha ny nambaran'izy ireo hatrany ka tokony hanaovan'ny Fitondram-panjakana ezaka. Tsy ampy intsony hoy ny filohan'ny FIEF-MADA ny fanentanana ny olona mba hamaky boky. Tsy mañana fahafahana ny hividy boky intsony ny ankamaroan'ny tokantrano Malagasy hoy izy vokatry ny halafosan'izy ireny. Sos-kevitra narosony araka izany ny hisian'ny tetikasa trano famakiam-boky manakaiky vahoaka. Miara-mankalaza ny iray volan'ny teny Malagasy ny FIEF-MADA sy ny Faribolana Sandratra izay marihina mandritra ity volana Jona ity. Misy ny hetsika tanterahin'izy ireo mandritra ny 5 andro eto an-drenivohitra. Nanomboka omaly Talata 09 Jona ny hetsika ahitana velan-kevitra, fifampizarana momba ny teny sy ny kolontsaina Malagasy ka tsy ho diso anjara amin'izany ny tanora mpianatra.
Pati
Légende : Rtoa Raveloniaina Felana ankavanana hotronin-dRaharijaona Jean François ankavia !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT