Toekarena

Fidiram-bola amin’ny fandaniana ara-tsosialy Nahena ny hetra alaina aminy


  • Alakamisy 02 Aprily 2020

Ho fampiharana ny fehezan-dalàna mifehy ny hetra sy ho fanatanterahana ny fanambarana mahakasika ny fahamehana ara-pahasalamana napetraka tamin’ny

 

didy hitsivolana N°2020-359 tamin’ny 21 Martsa 2020 teto amin’ny fari-piadidin’i Repoblika dia neken’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ny fampihenana ny hetra aloa amin’ny fidiram-bolan’ny fandaniana ara-tsosialy rehetra lany na nampiasaina iadiavana amin’ny tsimokaretina coronavirus. Marihina fa misy ireo fepetra tsy maintsy arahina tahaka ny fanamarinana tsara ireo fandaniana natao nandritra ny fiatrehana ny ady atao amin’ny aretina coronavirus ary ilaina ny faktiora voarakitra an-tsoratra mazava tsara syara-dalàna. Tokony ho voasoratra tsara ao amin’ny boky fitanana an-tsoratra na firaketana ny bokim-bolan’ny orinasa ihany koa ny fandaniana rehetra manodidina ny valan’aretina. Ho an’ny orinasa mpanome fanampiana kosa, ny fanomezana dia takiana ny firaketana ara-tsoratra mazava eo anivon’ ny mpandray sy ny tompon’andraikitra. Tolotra «e-Hetraphone » Manamora ny fandoavan-ketra Ho fandrindrana ny fitantanana ireo Hetra anatiny tahaka ny Hetra trano, ny Hetra tany, ny Hetra amin’ny toaka ary ny Hetra tambatra isankarazany dia misy ny fanamorana amin’ny fandoavana ny hetra indrindra manoloana ny fisian’ny valan’aretina coronavirus. Afaka manao ny fanambaran-ketra sy ny fandoavana ny hetra tambatra amin’ny alalan’ny finday ny mpanjifa amin’izao fotoana izao. Efa mety ary mandeha tsara amin’ny tokony ho izy ny fandoavan-ketra amin’ny alalan’ny finday (mobile money) ary mifandrimbona amin’izany ny airtel money, ny orange money ary ny m-vola.

. Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT