Miakatra avokoa ny vidim-piainana ankehitriny, asa na hanao ahoana ihany fa dia tena mahakivy sy mahaketraka.
Miaiky ankehitriny ny fitondrana tarihin-dRajaonarimampianina fa midangana tanteraka ny vidim-piainana eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Milaza koa fa handray fepetra hentitra amin`izany. “Film” efa nandeha, hoy ny tanora ny tahaka izao dia mitovy foana ny zavatra ambara rehefa manao valandresaka ho an’ny mpanao gazety. Izany foana no ezahana hampidirina ao an-tsain’ny vahoaka satria tsapany, hono, ny fahoriam-bahoaka. Tsy efa tara loatra raha amin’izao vao mikoropaka handray andraikitra, hikaroham-bahaolana mahakasika izany. Miverina foana ity fanontaniana ity hoe raha misy tokoa ny vahaolana maninona no tsy nampiarina hatrizay ? Volana vitsy sisa mantsy ny fahataperan`ny fotoam-piasan`ny filoham-pirenena vao mikofokofoka mitady vahaolana amin`ny fakan-kevitra karakaraina etsy sy eroa. Sanatria ve dia ho ``kabary ambony vavahady`` satria miasa mafy ny eo anivon`ny seraseram-panjakana mba ahafahana misarika ny saim-bahoaka amin`ny trangam-piarahamonina isan-karazany mba hanafenana ny fiakaran`ny vidim-piainana angamba. Nandrasana ny fanarenana an`i Madagasikara nandritra ny 4 taona fa tsy nahatafavoaka ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka ny fitondrana Hvm ary tsy nitondra na inona na inona akory, tahaka izany ihany koa ny mahakasika ilay fanolorana ny Vinan`ny Fisandratana ho an`ny tanona 2030. Mba tsy mahalala menatra mihitsy ireto mpitondra fanjakana Malagasy ireto, indrindra fa efa hihomehezan’ny olona fotsiny sisa kanefa dia tsy miova mihitsy ny fomba fanao. Midika izany fa tsy diso ny famakafakana natao fa mirona amin’ny zavatra hafa ity fitondrana Hvm ity ary tsy mifofotra amin’ny asa sosialy famahana ny olana mampijaly ny vahoaka andro aman’alina. Tsy maintsy miharo politika ny fitondrana vao manao zavatra hatramin’izay ary politika mirona hatrany mankany amin’ny firaovan-tseza sy tombontsoa ary ny kitranoantrano. Miendrika fihetsiketsehana ivelany fotsiny ary tafiditra sahady ao anatin`ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana. Tsikaritry ny maro fa ampy traikefa amin’ny politika manararao-paty ny fitondrana misy eto amin’izao fotoana. Aoka re tsy hifamitaka intsony eto fa dia anjaran’ny fitondrana ny mamaha ny olan’ny fidangan’ny vidm-piainana. Andrasan’ny rehetra fatratra izay vokatr’iny fisintahana nataon’ireo mpitondra fanjakana ny herinandro lasa teo sy ny akony mivantana eo amin`ny fiainam-bahoaka, indrindra ny lafiny ara-tsosialy izay tena mampikaikaika ny maro amin`izao fotoana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.