Toekarena

Fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro Voarafitra ny paikady nasionaly eto Madagasikara


  • Alarobia 12 Febroary 2020

Anisan’ny firenena efa nahavita ny drafitrasa momba ny fiatrehana fiovaovan’ny toetr’andro i Madagasikara.

 

 

Voarafitra ny Paikady nasionaly hiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro na ny PNA (Plan National d’Adaptation), izay ilain’ireo firenena nanasonia ny drafitra lasitra napetraky ny Firenena Mikambana. Miankina amin’ny fisian’io ny fahamoran’ny fahitana famatsiam-bola hoenti-manatanteraka ny asa nofaritana. Vita soa aman-tsara izany izay niaraha-nisalahy tamin’ny ekipan’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra sy ny mpiara-miombon’antoka, raha ny fanazavan’ny minisitra Raharinirina Baomiavotsy Vahinala. Mampiantrano ny fihaonan’ireo manampahaizana momba ny fiovaovan’ny toetrandro amin’ny firenena marefo rahateo isika eto Madagasikara ny 10 ka hatramin’ny anio 12 febroary 2020. Tanjona tiako hapetraka haingana amin’ity volana ity ny fametrahana ho maodely eo anatrehan’ireo firenena marefo satria isika no tafiditra ho isan’ny firenena voalohany manana izany PNA izany, hoy ny minisitra. Fankatoavan’ny filankevitry ny minisitra sisa andrasana, dia hirosoana ny fampiharana azy. Havoitra ao ny fampidirana ny fiovaovan’ny toetr’andro ho ao anatin’ny politikam-pitantanana ny firenena, ka ny sehatra fampandrosoana atao na toekarena na sosialy dia tsy maintsy mandray foana an’io. Tsy maintsy mijery ny fomba fanajariana ny tany satria tsy maintsy mieritreritra fomba fiainana vaovao eo anatrehan’ny fiovaovan’ny toetry ny andro. Fampidirana hatrany ny fiovaovan’ny toetr’andro ao anatin’ny politikam-bahoaka na koa ao anatin’ny fiaraha-miasa amin’ny tsy miankina amin’ny fanjakana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT