Toekarena

Fiatrehana ny Coronavirus Misongadina ny fahantran’ny Malagasy


  • Talata 24 Martsa 2020

Toa hita tsy taitra ihany ny ankamaroan’ny Malagasy manoloana ny aretina malaza sy mandringana eran-tany coronavirus. Vao maraina dia maro be no nirodorodo mbola nivoaka hitady vola na dia tsy nisy aza ireo taxibe nifamezivezena.

. Tao no nilaza fa tsy maintsy ho any am-piasana aloha hijery ny zava-misy sy ny fanapahan-kevitry ny mpampiasa indrindra ho an’ireo orinasa tsy miankina. Misy aza moa valan-ketraka sahady nahare ny tenin’ireo tompon’andraikitra tamina orinasa rehefa tonga tany izay nilaza fa hotapahina amin’ny karama ny andro tsy hiasana. Ny sasany indray dia velon-taraina satria ny hohanina anio tsy maintsy tadiavina anio ary ny ampitso ihany koa tsy maintsy katsahina rahampitso. Very fanahy mbola velona tanteraka ny Malagasy, feno fanahiana izy ary te-hitroatra ! misy aza moa dia latsa-dranomaso mihitsy ka milaza fa tena tsy mendrika handalo izao toe-javatra mampahonena sy mamparikoditra izao ny Malagasy mahantra ! tsy rariny ny mahazo an’i Madagasikara e ! Ny sasany tonga amin’ny fanomezan-tsiny hatrany ary milaza fa afaka nakatona mialoha ny sisitany ! ny Krisitianina moa dia miezaka ny mitodika amin’Andriamanitra hatrany ary manentana ny hafa rehetra hivavaka. Samy manana ny fomba fiatrehany ny areti-mandoza coronavirus ny Malagasy saingy tsapa  fa tena miaina anatin’ny fahantrana ny vahoaka ka ny mitady vola ihany aloha no laharam-pahamehana ary iniana tsy hita ny loza mananontanina.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT