Toekarena

Fiatrehana krizy Nahemotra ny fe-potoana fandoavan-ketra


  • Alarobia 06 Mey 2020

Manoloana ny toe-draharaha ara-pahasalamana eto amin’izao tontolo izao sy ny firenena dia nanapa-kevitra ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bolam-panjakana,

 

 

 

 

 amin’ny alalan’ny birao fitantanana ny hetra fa ahemotra avokoa ireo fe-potoana fandoavana izay hetra izay sy ny mombamomba azy. Ho an’ny hetra tambatra [impot synthetique], ohatra, dia ny 15 jona izao no mifarana ny fanambarana sy fahafahana mandoa izany. Ho an’ny hetra amin’ny vola miditra na “impot sur les revenus” kosa dia azo zaraina 2 ny fomba fandoavana izany. Ny 15 mey izao ny antsasany ary ny 15 jona ny ambiny. Ny karazan-ketra ankoatran’ireo sy ny manodidina izany kosa dia saika mifarana ny 30 jona avokoa. Ny birao misahana ny fandoavan-ketra moa dia mampirisika hatrany ireo mpanjifa mba handoa ny hetrany amin’ny alalan’ireo tekinolojia fanamorana izany toy ny e-hetrapayement sy ny e-hetraphone ho an’ny faritra Analamanga fa eo koa ny Hetraonline.

 J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT