Toekarena

Fiatrehana krizy Ampirisihina ny fambolena isan-tokantrano


  • Talata 28 Aprily 2020

Ao anatin’ny atao krizy ara-pahasalamana tanteraka ankehitriny izao tontolo izao. Isan’izany i Madagasikara.

 

 

 

Lojikan’ny aorian’izay ny krizy ara-toekarena izay tsy maintsy hifanindra-dalana amin’ny krizy ara-tsosialy, raha ny fahitan’ireo mpamakafaka raharaham-pirenena azy. Hitarika amin’ny atao hoe krizy politika mihitsy aza izany raha tsy hay ny mamindra ao anatiny, hoy ny minisitry ny serasera iray teo aloha izay. Efa maro ireo malagasy very asa sy orinasa nikatona tao anatin’izay iray volana mahery izay. Mbola sarotra ihany koa ny haminavina ny tena atao hoe fisokafana tanteraka na resaka tsena anatiny io na iraisam-pirenena. Ny vokatra isan-karazany moa mikatso avokoa satria mbola tapaka ny lalana. Manoloana izay mbola tsy fisiana ankapobeny eo amin’ny fiakaran’ny vokatry ny tany izay indrindra no ampirisihina ny fambolena isan-tokantrano, raha toa ka misy velarantany azo anaovana izany ny tokontany na dia kely aza, hoy ny tekinisianin’ny fambolena iray.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT