Toekarena

Fiarovana ny tontolo iainana Tsy fandrarana fotsiny fa arahana vahaolana ara-toekarena


  • Zoma 28 Febroary 2020

Vina napetraky ny fitondram-panjakana ankehitriny ny hoe :

 

 

kitro ifaharan’ny toekaren’i Madagasikara manomboka izao ny tontolo iainana. Mitaky asa lehibe sy makadiry izany satria maro ny fomba fanao, fomba fisainana tsy maintsy ovaina. Anisan’ny tranga iray ohatra izao tato ho ato ny firoboroboan’ny fihinanana sy fanondranana an-tsokosoko ny sokatra tany amin’ny faritra atsimon’ny nosy iny, biby izay efa ahiana ho lany tamingana anefa. Fa ankoatra ío, mbola ao ny fandripahana ala atao kitay sy hanaovana saribao, ny doro tanety…Tena mila fifanabeazana ny fanomezana vahaolana ara-toekarena ireo olona eny ifotony, mba hialany amin’ny fiankinan-doha amin’ny harena voajanahary izay mampiavaka ny nosintsika , hoy ny minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy Raharinirina Baomiavotse Vahinala. Izany no anisan’ny fomba maharitra amin’ny fiarovana ny valanjavaboary eto amintsika.

Omena fihariana hafa ivelomana

Tsy maintsy hazavaina sy ampianarina ny olona hoe tsy mety sy tsy azo atao izany mamono sy mihinana ary manondrana an-tsokosoko biby ahiana ho lany tamingana ka arovana izany, hoy Ramatoa minisitra; tsy mijanona eo fotsiny anefa ny asa fa tsy maintsy mijery ny fomban-tany, io tena mila fifampiresahana sy fifanabeazana amin’ny mpiara-belona. Fa ny tena lehibe dia ny hoe tsy maintsy mandroso vahaolana ara-toekarena mba iveloman’ireo olona tsy avela intsony manao ny zavatra nahazatra azy hatramin’izany ;  io ilay hoe tontolo iainana mampiadana. Tena ampidirina ao anatin’ny vinan’ny minisitera mihitsy ny lafiny ara-toekarena ka eo no miditra ilay antsoina hoe « ëconomie bleue et verte » hiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny fambolena sy ny minisiteran’ny jono, mba hahafahana mametraka vina iombonana sy paikady iombonana.Hitodika kokoa amin’ny lafiny ara-toekarena sy fanomezana seha-pihariana ho an’ny olona eny ifotony ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, hoy ny minisitra mba ialana amin’ny fiankinan-doha be loatra amin’ny harena voajanahary.Hamafisina ny fiarahamiasa amin’ny ministera hafa, mba hisorohana ny fitrandrahana sy fanondranana an-tsokosoko ny harena voajanahary.

Manana vina fa tsy manara-drenirano fotsiny

Etsy an-kilan’izay ovaina ihany koa manombok’izao ny fomba fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka ka isika Malagasy no manome ny vina sy paikady hoe ireto sy ireto no hataonay, dia ry zareo manampy sy manohana fa tsy hoe isika no manenjika manao izay zavatra omen’ny avy any ivelany fotsiny.

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT