Toekarena

Fiarovana ny tontolo iainana Lasan’ny tetikasa « Crédit Carat » ny 20 tapitrisa Ar


  • Alarobia 09 Septambra 2020

Norombahin’ny « Crédit Carat », ilay tetikasa manolotra rafitra hahafahana manakalo ny tavoahangy plastika ho lasa « crédit carat » afaka hampiasaina toy ny vola na hisitrahana tolotra samy hafa toy ny fiofanana sy fijerena

 

 

 

sarimihetsika ilay fifaninana nokarakarain’ny orinasa Star momba ny fiarovana ny tontolo iainana eto amintsika. Olona 14.064 no nifidy ny tetikasan’izy ireo ka nahazoany ny laharana voalohany raha 13.512 kosa ireo nankasitraka ny tetikasa Ando Compangy izay mpifaninana tamin’izy ireo. Omaly no navoaka tamim-pomba ôfisialy ny vokatry ny fifaninana. Samy faly ny roa tonta tamin’ny ankapobeny. Ho an’ny “Ando Compagny” dia fantatra fa mbola hitohy hanatsara ny tetikasany hatrany izy ireo ka amin’ny volana Janoary taona 2021 izy ireo no hisseho ho fantatry ny rehetra voalohany. Ho an’ny “Crédit Carat” kosa indray dia mbola hiatrika fiofanana mandritra ny iray volana sy tapany aloha izy ireo, fanomezana avy amin’ny Nexton ary aorian’izay dia hanatanteraka ny tetikasa amin’izany mba hisy vokany sy ho tsapain-tanana izany. Tsiahivina moa fa 20 tapitrisa Ar no loka natolotry ny orinasa Star ho an’ity tetikasa ity raha anisan’ny tanjona kosa ny hanafoanana mihitsy ny fiparitahan’ny tavoahangy plastika eto amintsika ho fiarovana ny tontolo iainana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT