Toekarena

Fiarovana ara-tsosialy sy fanomezan-danja ny vehivavy 90 tapitrisa dolara no nomen’ny Banky Iraisam-pirenena


  • Alakamisy 16 Mey 2019

Natao omaly alarobia 15 mey tetsy amin’ny lapam-panjakana Mahazoarivo ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa fanampiny nataon’ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola sy ny tahirim-panampiana ho an’ny fampandrosoana (FID).

 

 

 

Nanatanteraka izany ny  minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola sy ny filohan’ny filakevi-pitantanan’ny FID ary ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Banky Iraisam-pirenena. Famatsiam-bola neken’ny Banky Iraisam-pirenena ho an’ny firenena Malagasy izay  mitentina 90 tapitrisa dolara no nomena. Tanjona ny hametrahana ny politika nasionalin’ny Fiarovana ara-tsosialy sy ny fanomezan-danja ny vehivavy izay harindran’ny minisiteran’ny mponina. Famatsiam-bola maimaimpoana ara-tsosialy ho an’ireo marefo no natolotra satria iaraha-mahita ny fahasahiranan’ny vahoaka Malagasy, indrindra ny vehivavy. Tsiahivina fa efa nanomboka tamin’ny volana martsa teo ny fanampiana ary nohalavaina 30 volana, izany hoe nitarina hatrany amin’ny 2 taona sy tapany mahery. Ao anatin’ny  Politika Ankapoben’ny fanjakana  izany rehetra izany ary hanehoana sahady ny fametrahana ny fanjakana tsara tantana. Ankoatr’izay dia nisy ihany koa ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa nahazoan’I Madagasikara  fanampiana ara-bola mahakasika ny fandaharan’asa eo amin’ny sehatra angovo izay mitentina 100 tapitrisa dolara.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT