Toekarena

Fiaraha-miasan’ny CNaPS sy ny FLM Navitrika ny mpiofana tany Manakara


  • Alatsinainy 18 Jona 2018

Taorian’ny sinodam-paritry ny FLM Betroka dia tanteraka tamin’ny herinandro teo ny anjara fiofanana ho an’ny synodam-paritra Manakara ahitana fileovana 19 izay natao tao amin’ny FLM Tanambao Manakara ny 11 sy 12 jona ary ny synodam-paritra Anala, izay natao tao Ifanadiana ny 13 sy 14 jona lasa teo.

 Ny filohan’ny FLM pastora Dr Rakotonirina David no tonga nanome voninahitra ny fiofanana ary nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy tao Manakara sy Ifanadiana  nandritra ny fiofanana dia nampahafantarina ireo mpiofana, ny lalàna mifehy ny asa sy ny zon'ny mpiasa, ny tari-dalana mba hahazoana misitraka ny fiahiana ara-tsosialy omen’ny CNaPS, toy ny solon-takaitra raha misy ny loza na ny aretina azo vokatry ny asa, ny volan-jaza, ny fanampiana ho an’ny mpitaiza kely, ny fisotroan-dronono, ny andraikitra sy ny rafitra ary ny asan’ny CNaPS.  « Mandroso dia mandroso tokoa ny fiaraha-miasa eo amin’ny CNaPS sy ny fiangonana Loterana, ary dia manentana sy mampirisika ny mpiasam-piangonana rehetra : pastora, katekista, evanjelista,  dokotera sy mpampianatra ary ny mpanentana isan-karazany sy isika rehetra mpiasam-piangonana maro samy hafa mba hanao izay azo atao amin’ny lafiny ara-pitantanana mba ho vita ara-dalàna ny adidintsika ; dia hisitraka tokoa  ny fiahiana ara-tsosialy  rehetra atolotry ny CNaPS isika. », hoy ny filohan’ny FLM izay naneho  fisaorana ny tale jeneralin’ny CNaPS Arizaka Rabekoto Raoul sy ny  mpiara-miasa aminy amin’ny ezaka ataon’izy ireo. Maro dia maro tokoa ny mpiofana raha oharina amin’ireo ireo synodam-paritany efa nandalovan’ny tahirim-pirenena satria dia nahatratra 201 izany. Vinan’ny tale jeneralin’ ny CNaPS moa  ny hanome fiahina ara-tsosialy ireo tantsaha mandrafitra ny 85 isan-jaton’ny Malagasy hatramin’ny taona 2022. 

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT