Toekarena

Fiaraha-miasan’ny CNaPS amin’ny « Microfinances » Nanala fahasahiranana ny mpanjifa


  • Sabotsy 02 Desambra 2017

Taloha dia teny anivon’ny paositra, ny firaisana, ny banky ary tetsy amin’ny foibe etsy Ampefiloha no fakana ny « pension CNaPS ».

 

Filaharambe tamin’izany, mifoha amin’ny 1 maraina ary manomboka milahatra amin’ny 3 ora maraina ireo zokiolona haka ny fisotron-drononony ka tena nijaly izy ireo. Ny taona 2008 no ho mankaty dia nanapaka-kevitra niara-niasa tamin’ny« microfinances »  na ireo mpampindram-bola madinika ny nTahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy (CNaPS)tarihin’ny  tale jeneraly Arizaka Rabekoto Raoul mba hanakaikezana bebe kokoa ireo zokiolona sy hanafoanana ny filaharam-be satria ireo « microfinances » dia miparitaka amin’ny toerana rehetra manerana nyNosy.Nambaran’Atoa Randrianjanaka Daniel Fondé de pouvoir eo anivon’ny CNaPS foibe nandritra ny velan-kevitra nataony tamin’ireo mpitsidikany « salon de l’industrie, des microfinances et des banques » tetsy anoloan’ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo fa maro ireo orinasam-pampindram-bola madinika miara-miasa amin’nyCNaPS. Anisan’izany ny OTIV Tana, ny MICROCRED, ny OTIV ZLA Alaotra Mangoro, ny OTIV SAVA ary ny OTIV Zone Littoral Toamasina. Voatery natsahatra kosa ny fiarahan’ny Tahirim-pirenena niasa tamin’ny OTIV Boeny sy VOLAMAHASOA any Toliary ary ny TIAVO Fianarantsoa noho ny fitantanana ratsy teo anivon’ireo « microfinances » ireo izay tsy misy idiran’ny CNaPS velively. Nohazavain’ity mpikambana eo anivon’ny toniam-pitantanan’ny CNaPS ity fa ny latsakemboka 1% aloan’ny mpiasa sy ny 13%  aloan’ny mpampiasa dia tsy natokana andoavana ny fisotroan-dronono fotsiny fa natao ihany koa andoavana ny fanampiana ny fianakaviana toy ny volan-jaza sy ny volan’ny bevohoka ary ny fanampiana ho an’ireo tra-doza am-perinasa izay misy alefa tsaboina any ivelany mihitsy. Manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana kosa dia notsiahivin-dRandrianjanaka Daniel fa ireo fiakaran’ny fanampiana ho fitsinjovana ireo mpandray zo toy ny fiakarana 20% ho an’ny fisotroan-dronono sy ny solon-takaitra raha tra-doza na marary vokatry ny asa ary fiakarana 100%  ho an’ny fanampiana ny fianakaviana. Nalefahana ihany koa ny fepetra takiana amin’ny fandraisana fisotroan-dronono. Raha miisa zato telo volana (100 trimestres) izany teo aloha dia nahena ho 60 telo volana (60 trimestres) izany ankehitriny mba ho fampihenana ny isan’ireo zokiolona mahazo famerenana ny latsakemboka( remboursement de cotisation).

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT