Fiaraha-miasa

sy fanohanana ara-toekarena


  • Alarobia 18 Febroary 2026

Nanome 370 miliara Ar tsy averina ny Vondrona Eoropeanina

Tontosa tao amin’ny Lapan’i Mahazoarivo omaly 17 febroary 2026 ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana famatsiam-bola tsy averina miisa telo, mitentina 370 lavitrisa ariary, na 73 tapitrisa euros, teo amin’ny Governemanta malagasy sy ny Vondrona Eoropeana. Ny Dr Ramiarison Herinjatovo Aimé, Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, no nisolo tena an’i Madagasikara, raha Andriamatoa Roland Kobia, Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeana, kosa no nisolo tena ny Vondrona Eoropeana. Ireo famatsiam-bola ireo dia mikendry ny hanamafisana ny sehatra tsy miankina sy ny fifaninanana amin’ny alalan’ny tetikasa ACTE mitentina 90 lavitrisa ariary, hanatsara ny fahafahan’ny mponina misitraka rano fisotro madio sy tolotra fanadiovana amin’ny alalan’ny tetikasa PEAT ao Toamasina mitentina 125 lavitrisa ariary, ary hanohana ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fahasamihafan’ny zavamananaina amin’ny alalan’ny tetikasa PADIPAP mitentina 145 lavitrisa ariary. Nanambara ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy fa manaporofo ny fanoloran-tenan’ny Fanjakana amin’ny fitantanana mangarahara sy tomponandraikitra ny fifanarahana vaovao, izay mifanaraka amin’ny laharam-pahamehana nasionaly amin’ny fanovàna ara-toekarena sy ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary. Naneho firaisankina ihany koa ny Vondrona Eoropeana manoloana ny fahavoazana nateraky ny rivodoza, indrindra ho an’ireo fianakaviana sy faritra voakasika, ary nanamafy ny fiaraha-mientana amin’i Madagasikara amin’ny fiatrehana fanamby sy fanorenana hoavy maharitra sy azo antoka.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT