Toekarena

Fiaraha-miasa sy fandraharahana Mazoto hampiasa vola eto Madagasikara ny Frantsay


  • Talata 08 Oktobra 2019

Tonga eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ny avy amin’ny MEDEF (Mouvement des Entreprises de France),

 

 

 

 notarihin’ny filohany vaovao M. Momar Nguer, izay noraisin’ny praiminisitra Ntsay Christian sady minisitra ny raharaham-bahiny teny amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny Anosy omaly. Nitari-dàlana azy ireo ny Masovoivoho Frantsay eto amintsika Christophe Bouchard. Miditra amin’ny fanatanterahana ny vinan’ny filoha sy ny politika ankapoben’ny fanjakana isika izao. Mila ireo olona izay manana eriretreritra hampiasa vola eto isika kanefa ao anatin’ny fanajana ny lalànantsika, ao anatin’ny fanajana hevi-dehibe hitondrantsika ny firenena, hoy ny Lehiben’ny Diplomasia Malagasy. Zava-dehibe ny fisian’ny fitoniana politika eto. Andao hanao asa haingana lavitry ny kolikoly, ary tena ahitana tombontsoa ho an’ny fanjakana Malagasy sy ho an’ireo mpampiasa vola, hoy hatrany ny Minisitry ny raharaham-bahiny. Betsaka ny azo hiaraha-miasa ; angovo, fahasalamana, fotodrafitrasa, fanatsarana ny fitantanana ny raharaham-panjakana, fametrahana tanàna vaovao, indostria,… Izany rehetra izany, dia afaka mampiroborobo ny fandraharahana madinika sy salantsalany, raha ny nambarany. Nilaza kosa ny Masoivoho Frantsay Christophe Bouchard fa miandrandra fiaraha-miasa lehibe ara-stratejika amin’I Madagasikara i Lafrantsa, ary hanamafy ny fiaraha-miasa ara-toekarena amin’ny governemanta Malagasy.173 000 ireo orinasa mivondrona ao anatin’ny MEDEF izay mampiasa olona hatramin’ny 10 tapitrisa any Frantsa.Norasin’ny filoham-pirenena teny Iavoloha  ihany koa ry zareo MEDEF omaly ka nanambara fa hiresaka mivantana amin'ireo mpandraharaha Malagasy ary nanamafy fa maro ny sehatra mahaliana eto Madagasikara sy azo hampiasam-bola tsara.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT