Toekarena

Fiaraha-miasa amin’ny BAD Tetikasa 3 hovatsiana 3,8 tapitrisa dolara


  • Alarobia 25 Mey 2022

Tontosa tany Accra Renivohitr’i Ghana alatsinainy 23 mey 2022 lasa teo ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny governemanta Malagasy, izay nosoloan’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola Rtoa Rabarinirinarison

Rindra Hasimbelo tena sy ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana izay nosoloan’ny Filoha lefitry ny BAD misahana ny fampiroboroboam-paritra, Ramatoa Yacine FAL. Miisa 3 ireo famatsiam-bola sy tetikasa nosoniavina, ka ny voalohany dia fampindramam-bola mitentina 2.479.000 dolara izay entina handalinana ny fampiharana ny tetik'asa mahakasika ny fampiasana ny ilany havanana amin’ny faritra « Bas Mangoky » any amin’ny Faritra Atsimo andrefana. Ny faharoa indray dia famatsiam-bola tsy averina, 1.900.000 USD izay natokana ho an’ny Programa ADRiFi na (Financement des risques et catastrophes en Afrique). Ny fahatelo kosa dia, famatsiam-bola mahatratra 1.340.000 dolara natokana ho an’ny fanamafisana ny fitantanam-panjakana amin’ny alalan’ny rindra-kajy mirindra na PREGODI (Projet de Renforcement de la Résilience de la Gouvernance par la Digitalisation). Manome 3. 819.000 dolara ireo sora-bola ireo raha hatambatra. Nambaran’ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola ihany koa, fa haroso hoankatoavina ihany koa ny tetikasa PICAS (Pôle Intégré de Croissance Agricole et Agro-industrielle au Sud de Madagascar) mitentina 12,5 tapitrisa UC izay tafiditra ao anatin'ny FAD-15. Ity farany dia entina hanatsarana ny fidiram-bola sy ny fiahiana ara-tsakafon’ireo mponina any amin’ny faritra Anosy sy Androy. Ny sonia aloha no vita, ka andrasana ny ho fivadihany ho asa mivaingana izay hirariana hitondra vokatra azo tsapain-tànana ho an’ny firenena, ka tsy halaza am-boalohany tahaka ny fahita hatrizay fotsiny.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT