Ny 25 oktobra lasa teo dia namoaka fanambarana ny teo anivon` ny Banky Foiben`i Madagasikara (BFM) amin` ny fametrahana ny fifanarahana fampanofana sy faktiora ary ny fandoavana izany amin`ny ariary.
Izany hoe ireo faktiora nomena olona na koa orinasa ka amin` ny sandany vola vahiny no hanefana izany teo aloha dia tsy maintsy aloa amin` ny vola ariary raha mbola anatin`ny faritry ny ladoany Malagasy. Araka izany, voakasika izany ny fanafaràna fiara avy any ivelany. Noho io fanapahana noraisin` ny BFM io dia foana ho azy ny Eur1 eny anivon` ny fadintseranana raha ny fanazavan`ny mpandraharaha iray misehatra amin`ny fanafarana fiara avy ivelany, indrindra avy any Eoropa. Efa nampilaza sahady ny mpanjifany izy amin`izay mety ho fiakaran` ny vidin`ny fiara avy any ivelany. “Mety ahitana fiakarana 43% ny vidin` ny fiara satria tsy mitsahatra mitontongana ny ariary”. Tsy maintsy miroso amin`izany, araka izany, ireo mpisehatra fiara raha mbola hanoohy ny anton`asany. Ny BFM rahateo dia efa nanamafy fa ny tsy fanarahana ireo fepetra ireo dia mety hiafara amin'ny fanenjehana heloka bevava. “Ny fandikan-dalàna dia azo saziana amin'ny sazy voalazan'ny and. faha-473 amin'ny fehezan-dalàna famaizana”. Mazava ho azy fa hitarika ihany koa fiakarana amin`ny vidin`ny fiara amin`ny ankapobeany mihitsy izao fepetra izao.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.