Toekarena

Fiara “Karenjy” Mihamitombo ny famokarana


  • Alakamisy 14 Septambra 2017

Manomboka miroborobo ny indostria fanamboarana fiarakodia eto amintsika amin’ny alalan’ny “Karenjy” any Fianarantsoa.

Mihatsara ny kalitaon’ny vokatra ary mitombo ny famokarana satria miakatra ny kaomandy. Efa nivoaka ny Mazana I sy ny Mazana II, fiara tsy mataho-dalana mifanaraka amin’ny toe-tany eto Madagasikara, ary sokajiana ho mafy sy matanjaka, ary tsy mena-mitaha amin’ny fiara avy any ivelany eo amin’izay lafiny izay. Efa misy vitsivitsy mivezivezy eny an-dalambe eny, izay azo hitarafana fa misy ny ezaka sy finiavana hizotra mankany amin’ny tsara hatrany, ary mampisongadina sy manandratra ilay hoe: “Vita Malagasy”. Reharehan’ny Malagasy ny fananana orinasa toy ny Karenjy, saingy mba manana finiavana hanampy sy hanosika ireny ve isika ? Toa vitsy amin’ireo mpitondra ambony na mpanambola no liana sy manolotena hividy azy ireny satria efa sodokan’ny avy any ivelany, saingy raha mbola izay foana no toe-tsaina hoentina, dia tsy hivoatra ny orinasa tahaka itony fa mety hidaraboka indray aza. Fahita eto amintsika rahateo ny hoe : ny vahiny no liana sy mividy ireny vokatra vitan’ny Malagasy ireny, fa isika indray no mialangalana sy manao valalan’amboa, hoy ny fitenenana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT