Toekarena

Fiara Karenjy 62 tapitrisa Ar no vidin’ny iray


  • Alatsinainy 25 Jona 2018

Fiara vita Malagasy tena nanana ny lazany ny karenjy. Tao Ankofafa Fianarantsoa no nisy ny foibe mpanamboatra azy ary mbola mijanona ao mandraka ankehitriny saingy efa nisolo mpitantana kosa.

Atoa Luc Ronssin,  teratany vahiny tompon’ny orinasa Relais Madagascar no nividy azy tamin’ny taona 2008. 62 tapitrisa Ar ny vidin’ny iray amin’izy ireny amin’izao.  Mampiavaka azy ny fibre de vert akora fototra eto Madagasikara hampiasain’ny orinasa  amin’ny  fanamboarana  ireo karazana kojakoja rehetra ao anatiny. Anisan’ireny ny seza. Ny môtera sy ireo karazana singa mekanika (element mécanique) sisa no vidina sy hafarana any amin’ny Peugeot. Mahatanty lalan-dratsy tsara  ny karenjy,  tsotra nefa tsara ary efa manomboka tian’ny olon-tsotra, hoy Atoa Emmanuel, anisan’ireo mpanamboatra ny fiara. Ireo orinasa lehibe eto amintsika no tena mpividy azy. Fiara karenjy roa isam-bolana no vokarin’izy ireo hampiasana vatan-dehilahy 60 isa. Mahavita mihoatra izany izy ireo raha ilaina. Hatreto dia efa betsaka ireo olona voasarika amin’ny fividianana fiara karenjy eto amintsika. Tsiahivina fa tamin’ny taona 1993 no nakatona ny orinasa karenjy vokatry ny disadisa pôlitika nisy teto amin’ny firenena raha tamin’ny taona 1985 izy no nisokatra voalohany. Ny taona 2009 indray izy vao nisokatra ka taorian’ny nandafosany ireo fiara karenjy an-jatony mbola tavela tamin’ny andron’ny filoha Ratsiraka dia namoaka ny Mazana II indray izy ireo, izay nentina nampirantiana teny Tanjombato ny herinandro teo.

 Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT